lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Tatitra azo avy tamin'i Sofian Bin Abdillahi At-Thaquafi (R.A) niteny izy :
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، قُلْ لِي فِي الْإِسْلَامِ قَوْلًا لَا أَسْأَلُ عَنْهُ أَحَدًا غَيْرَكَ، قَالَ: «قُلْ: آمَنْتُ بِاللهِ، ثُمَّ اسْتَقِمْ».
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.
...:
Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
Ny finoana an’Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’Allah, any anatiny na ety ivelany.
Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara.
Sahìh Moslim (1/ 65) (38).
Mosnad Ahmad (24/ 141) (15416).
Ny Fanampiny (5)
المفهم (1/137).
جامع العلوم والحكم (1/507).
فتح القوي المتين للعباد (ص 76).
شرح الأربعين النووية لعبد الكريم الخضير (ص 285).
شرح الأربعين لصالح آل الشيخ (ص 305).
Cited in books
8 BooksNy Fanampiny (8)
- الخطب المنبريةموسوعة الخطب المنبرية (القسم الأول)«قُلْ آمَنْتُ بِاللَّهِ، ثُمَّ اسْتَقِمْ»
- خذ عقيدتك من الكتاب والسنة الصحيحة«قل آمنتُ باللهِ، ثم استَقِمْ»
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «قُلْ: آمَنْتُ بِالله، ثُمَّ اسْتَقِمْ».
- مجموعة زاد الحديث(3)1«قُلْ آمنتُ بالله، ثمَّ اسْتقِمْ»
- مجموعة زاد الحديث(3)1«آمَنتُ بِالله، ثُمَّ استَقِم»،
- مشروع منهاج زادكزادك معلم 3(قُلْ: آمَنْتُ بِالله، ثُمَّ اسْتَقِمْ)،
- مشروع منهاج زادكزادك 3 طالب نهائي«قُلْ: آمَنْتُ بِالله، ثُمَّ اسْتَقِمْ»
- نبراس طالب (1)1قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، قُلْ لِي فِي الْإِسْلَامِ قَوْلًا لَا أَسْأَلُ عَنْهُ أَحَدًا بَعْدَكَ. قَالَ: «قُلْ: آمَنْتُ بِالله، فَاسْتَقِمْ»