“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
«نَضَّرَ اللَّهُ امْرَأً سَمِعَ مِنَّا شَيْئًا فَبَلَّغَهُ كَمَا سَمِعَ، فَرُبَّ مُبَلِّغٍ أَوْعَى مِنْ سَامِعٍ».
Nangataka Doan i Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fahamoram-panahy sy ny fifaliana ary ny fahatsarana eto an-tany, ary mba ho tarihin'I Allah ho amin'ny fahasoavana sy ny fahasambarana ary ny hatsaran'ny Paradisa any ankoatra; ho an'ny olona izay nandre ny teniny ka nitadidy izany mandra-pampitantarany azy tamin'ny hafa, satria mety ilay nampitaina ny hadith no ho tonga saina kokoa, mahay kokoa ary mahay manatsoaka hevitra kokoa noho ny mpampita ny hadith, ka ny voalohany dia mahay mitadidy sy mampita ny Hadith, fa ny faharoa kosa dia hahatakatra sy hahay maka lesoa kokoa.
Famporisihana amin'ny fitadidiana ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fampitana izany amin'ny olona.
Manazava ny fahasoavan'ny olon'ny hadith, sy ny voninahitra amin'ny fikatsahana izany.
Fahasoavan'ny manam-pahaizana, izy ireo dia olona mahay maka lesona sy mahatakatra lavitra.
Ny voninahitr'ireo mpanaradia (R.A), dia izy ireo no nandre ny hadith-n’ny irak’Allah, ka nampita izany tamintsika.
Hoy i Al-Manawi : Nambarany mazava tsara fa tsy fepetran'ny mpitantara ny mahay hadith, fa ny fitadidiana no fepetrany, fa ho an'ny manam_pahaizana kosa ny misaintsaina sy fandinihana.
Hoy I Ibn Oyaynah : Tsy misy olona mitady hadith afa-tsy ny famirapiratan'io hadith io eo amin'ny tarehiny.
Araka ny voalazan'ireo manam-pahaizan'ny hadith dia misy karazany roa ny fitadidiana : fitadidiana ny fo sy ny tratra ary ny fitadidiana boky sy andalana, ary samy tafiditra ao anatin'ny fitalahoana ao amin'ny hadith.
Tsy mitovy ny fahalalan'ny olona, mety misy olona mahay kokoa noho ny mpihaino, ary mety misy olona mitondra fahatakarana izay tsy mpahay lalàna.
Sonan At-Tirmizì (4/ 394) (2657).
Sonan Ibn Màjah (1/ 157) (232).
Mosnad Ahmad (7/ 221) (4157).
Ny Fanampiny (10)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 476).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (5/ 446).
فيض القدير شرح الجامع الصغير.
لعبدالرؤوف المناوي (3/ 206).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (16/ 496).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 956).
Cited in books
4 BooksNy Fanampiny (4)
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“نضر الله امرأ سمع منا شيئا فبلغه كما سمعه، فرب مبلغ أوعى من سامع”.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 6«نَضَّرَ اللهُ امرأً سمعَ منَّا شيئاً فَبَلَّغَهُ كَمَا سمعَهُ، فرُبَّ مُبلَّغٍ أوْعَىٰ مِن سامِعٍ».
- نبراس طالب (5)1«نَضَّرَ اللهُ امْرَأً سَمِعَ مِنَّا حَدِيثًا فَبَلَّغَهُ»
- وجوب العمل بالسنة وكفر من أنكرها3«ربّ مبلغ أوعى من سامع»