Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy".
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïra (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) :
“Ny toerana ambany indrindra ho azon’iray aminareo any amin’ny Paradisa dia rehefa misy miteny aminy hoe : "Inona ny fanirinao, dia naniry izy, ary naniry zava-tsoa, dia hanontaniana izy hoe : "Efa nanao faniriana ve ianao?" Hoy izy : Eny, ary holazaina aminy hoe : Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy".
«إِنَّ أَدْنَى مَقْعَدِ أَحَدِكُمْ مِنَ الْجَنَّةِ أَنْ يَقُولَ لَهُ: تَمَنَّ فَيَتَمَنَّى، وَيَتَمَنَّى، فَيَقُولُ لَهُ: هَلْ تَمَنَّيْتَ؟ فَيَقُولُ: نَعَمْ، فَيَقُولُ لَهُ: فَإِنَّ لَكَ مَا تَمَنَّيْتَ وَمِثْلَهُ مَعَهُ».
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toerana ambany sy kely indrindra ho an'izay miditra ao amin'ny Paradisa dia ho tenenina aminy hoe : Manaova fanirina ianao, dia manao faniriana izy ary manao faniriana, ka tsy misy faniriana intsony ho azy raha tsy efa nolazainy, ary ho lazaina aminy : Nanao faniriana ve ianao? Dia hamaly izy : Eny, ary ho lazaina aminy : Ho azonao izay irinao, ary ho toy izany koa.
Ny toeran'ny olona ao amin'ny Paradisa samihafa.
Fanambarana ny halehiben’ny fahasoavan’I Allah.
Ny fahasambaran’ny Paradisa dia tsy voafetra amin’ny zavatra iray, fa ny mpino kosa dia mahita ao anatin’izany ny zavatra rehetra irin’ny fanahiny sy irin’ny sainy, noho fahasoavana sy fahalalahan-tànana avy amin'I Allah Tsitoha.
Sahìh Moslim (1/ 167) (182).
Ny Fanampiny (8)
مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.
لعلي القاري (9/ 3585).
تطريز رياض الصالحين.
لفيصل آل مبارك (ص1090).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (3/ 348).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (2/ 1292).