"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
«رُفِعَ الْقَلَمُ عن ثلاثة: عن النائم حتى يَسْتَيْقِظَ، وعن الصبي حتى يَحْتَلِمَ، وعن المجنون حتى يَعْقِلَ».
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa voasoratra amin'ny zanak'i Adama ny adidy, afa-tsy ireo olon_telo ireo : Zaza kely mandra-pahalehibeny ka tonga olon-dehibe. Ary amin'ny olona adala izay very saina mandra-piverin'ny sainy. Ary ny olona matory mandra-pifohany. Efa nesorina tamin’izy ireo ny adidy, ary tsy voarakitra an-tsoratra momba azy ireo ny fahotany, fa ny fahatsarana kosa dia voarakitra an-tsoratra ho an’ny zaza kely, fa tsy ho an’ny adala na ho an’ny olona matory. Satria izy roa ireo dia tsy ao anaty sehatr'ireo olona mety aminy ny fanompoany noho ny fanjavonan'ny fahatsapana eo aminy.
Ny fahaverezan'ny fahafahan'ny olona iray dia mitranga na noho ny torimaso, izay manakana azy tsy hifoha amin'ny fanatanterahana ny andraikiny, na noho ny fahakelin'ny taonany sy ny fahazazany, izay mahatonga azy tsy ho mpanatanteraka, na noho ny zavatra nanjo azy toy ny hamamoana. Ka izay very fanavahana sy fiheverana marina, dia very aminy ny maha tompon'andraikitra azy noho ny iray amin'ireo antony telo ireo. Fa Allah noho ny fananany rariny sy fandeferany ary ny fahalalahan-tànany, dia nanafaka ny olona tamin’ny fanamelohana amin'izay fandikan-dalàna na tsy fitandremana ataony amin’ny zon'I Allah.
Ny tsy fanoratana ny fahotan’izy ireo dia tsy mifanohitra amin’ny fanamafisan’ny didy eto an-tany momba azy ireo; Toy ny adala, raha namono olona, dia tsy misy sazy na fanonerana ho azy, ary ny havany salama saina no mandoa ny onotra.
Misy famantarana telo ny fahampian-taona : ny fivoahan'ny tsirin'aina, ny nofy mando na ny famantarana hafa, ny fanirin'ny volo miafina, na ny fahafenoan'ny dimy ambin'ny folo taona, misy fahefatra fanampiny ny momba ny vehivavy dia ny : tonga fotoana.
Nilaza i Sobki : Ny zaza dia ny zazalahy , niteny ny hafa : Ny zaza ao an-kibon-dreniny dia antsoina hoe vohoka raha teraka izy dia zaza, ary raha nitombo izy dia zazalahy hatramin'ny fito taona, dia tonga izy zaza tsy ampy taona hatramin'ny folo, avy eo tanora hatramin'ny dimy ambin'ny folo taona, ary ny azo antoka kokoa dia ny fiantsoana azy hoe zazalahy amin'ireo tranga rehetra ireo, hoy i Soyoti.
Sonan Abo Daòd (6/ 455) (4403).
Sonan At-Tirmizì (3/ 93) (1423).
Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (6/ 487) (7303).
Sonan Ibn Màjah (3/ 199) (2042).
Mosnad Ahmad (2/ 254) (940).
Ny Fanampiny (6)
فتح ذي الجلال والاكرام بشرح بلوغ المرام.
لابن عثيمين (5/ 57).
توضِيحُ الأحكَامِ مِن بُلوُغ المَرَام.
للبسام (3/ 327).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (7/ 582).
Cited in books
6 BooksNy Fanampiny (6)
- رسالة موجزة عن الإسلام كما جاء في القرآن الكريم والسنة النبوية (مشتملة على الأدلة)رِسَالَةٌُ مُوجَزَةٌُ عَنِ الْإِسْلَامِ كَمَا جَاءَ فِي الْقُرْآنِ الْكَرِيمِ وَالسَّنَةِ النَّبَوِيَّة-مشتملة على الأدلة -للحرمين-«رُفِعَ القَلَمُ عَنْ ثَلَاثٍ: عَنِ النَّائِمِ حَتَّى يَسْتَيْقِظَ، وَعَنِ الصَّبِيِّ حَتَّى يَحْتَلِمَ، وَعَنِ المَجْنُونِ حَتَّى يَعْقِلَ» [82].
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)مجموعة زاد الفقه (1)«رُفِعَ القلم عن ثلاثةٍ: عن النَّائم حتى يستيقظَ، وعن الصَّبي حتى يَحتَلِمَ، وعن المجنونِ حتى يَعقِلَ»
- مجموعة زاد الفقه (3)الفقه 3«رُفِعَ القلمُ عن ثلاثةٍ: عن النَّائمِ حتى يستيقِظَ، وعن الصَّبىِّ حتى يَحتَلِمَ، وعن المجنونِ حتى يَعقِلَ».
- محاضرات تعظيم قدر الصلاةمحاضرات في تعظيم قدر الصلاة" رُفِعَ الْقَلَمُ عَنْ ثَلَاثَةٍ: عَنِ النَّائِمِ حَتَّى يَسْتَيْقِظَ، وَعَنِ الصَّبِيِّ حَتَّى يَحْتَلِمَ، وَعَنِ الْمَجْنُونِ حَتَّى يَعْقِلَ " [102]
- نبراس طالب (3)نبراس طالب 3«رُفِعَ الْقَلَمُ عَنْ ثَلَاثَةٍ: عَنِ النَّائِمِ حَتَّى يَسْتَيْقِظَ، وَعَنِ الصَّبِيِّ حَتَّى يَحْتَلِمَ، وَعَنِ الْمَجْنُونِ حَتَّى يَعْقِلَ»
- نبراس طالب (5)1«رُفِعَ الْقَلَمُ عَنْ ثَلَاثَةٍ: عَنِ النَّائِمِ حَتَّى يَسْتَيْقِظَ، وَعَنِ الصَّبِيِّ حَتَّى يَحْتَلِمَ، وَعَنِ الْمَجْنُونِ حَتَّى يَعْقِلَ»