Skip to content

Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."

Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny :

Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetika milaza izy hoe : "Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."

لَمْ يَكُنِ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَاحِشًا وَلَا مُتَفَحِّشًا، وَكَانَ يَقُولُ: «إِنَّ مِنْ خِيَارِكُمْ أَحْسَنَكُمْ أَخْلَاقًا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Tsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo. Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe : Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Allah dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ​​ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny mpino dia tsy maintsy manalavitra ny fahavetavetana, toy ny teny ratsy sy ny asa ratsy.

Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka tsy misy mivoaka aminy afa tsy ny asa soa sy ny teny mamy.

Ny toetra tsara dia kianja fifaninanana, satria izay tonga voalohany dia tafiditra ho isan’ireo mpino tsara indrindra sy manampinoana feno.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 189) (3559).

Sahìh Moslim (4/ 1810) (2321).

Ny Fanampiny (4)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 672).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص410).