"Ny finoana dia fananarana
Tatitra azo avy tamin'i Abo Rokayyah, Tamiimi ibn Aosy Ad-daari (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".
«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «لِلهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ».
Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia mifototra amin'ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana, ka ny mba hanatanterahana izany araka ny nandidian'i Tompo Allah azy, tsy misy tsirambina na hosoka. Nisy nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : Iza tokoa no tokony homena hanatra sy torohevitra ? namaly Izy ka nanao hoe : Voalohany : Torohevitra sy fananarana dia ho an’i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha : amin’ny alàlan’ny asa amim-pahadiovam-po ho Azy, ary tsy manakambana Azy amin'ny zavatra hafa, mino ny maha-Tompo Azy, Ary mino ny anarany sy ny lazany, manome voninahitra ny didiny, ary miantso ny Olona mba hino Azy. Faharoa : Torohevitra sy hanatra ho an'ny Bokiny, dia ny Koroany mendri-kaja : mino isika fa io no Teniny, farany amin'ny Bokiny, ary manafoana ny lalàna rehetra teo alohany, ary manaja Azy sy mamaky Azy araka izay tokony hamakina izany, ary miasa arak'izay heviny, ary hanaiky izay mitovitovy Aminy, ary mandà ny hevitry ny mpamitaka amin'ny fandikana Azy, ary mandinika ny Toriteny, ary mampiely ny fahalalany, ary miantso amin'ny làlana mankany Aminy. Fahatelo : Torohevitra sy hanatra ho an'ny Irany i Mohammadi (S.A.W) : Mba hinoatsika fa Izy no Farany amin'ireo Iraka maro izay nifandimby, hinoantsika ny zavatra noentiny, hankatò ny Didiny ary hiala amin'ny Fandrarany Isika, ary tsy hanompo Isika afa-tsy mifanaraka amin'izay noentiny, manaja ny zony Isika, ary manaja Azy, hanaparitahana ny fiantsoana nataony, hanaparitahana ny Lalàny, ary Handà ny fiampangana Azy. Fahefatra : Torohevitra sy hanatra ho an'ireo mpitariky ny Mpino Silamo : Amin'ny fanampiana azy ireo amin'ny fahamarinana, tsy miady hevitra amin'izy ireo momba ny raharaha ara-pinoana, ary mihaino sy mankatò azy ireo ao amin'ny fankatoavana manokana an'i Tompo Allah. Fahadimy : Torohevitra sy hanatra ho an’ny Mpino Silamo : Hanao tsara amin’izy ireo, hiantso izy ireo amin'ny làlana mahitsy, hanatsahatra ny fanaratsiana azy ireo, hankatia ny soa ho azy ireo, ary miara-miasa Aminy amin’ny fahamarinana sy ny fatahorana an'i Tompo Allah.
Famporisihana amin'ny fananarana ny rehetra.
Lehibe ny toerana misy ny fananarana eo amin'ny finoana.
Ny fahafenoan'ny finoana amin'ny lafiny ara-pinoana sy ny teny ary ny asa.
Tafiditra ao anatin’ny torohevitra ny fanadiovana ny tena amin’ny fitaka ho an’izay torina hevitra sy ny faniriana ny tsara ho azy.
Ny fampianarana tsara azo avy tamin'ilay Irakan'Allah (S.A.W) dia ny fanononana ny zavatra iray amin'ny ankapobeny avy eo dia manazava izany amin'ny antsipiriany.
Natomboka tamin’ny zava-dehibe indrindra ary avy eo ny Lehibe, Satria ny Mpaminany (S.A.W), dia nanomboka tamin’ny torohevitra ho an’i Allah, avy eo amin’ny Bokiny, avy eo amin’ny Irany (S.A.W), ary ho an'ny mpitariky ny mpino silamo ary ho an'ny daholobe.
Sahìh Moslim (1/ 74) (55).
Ny Fanampiny (4)
التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثا النووية (ص21).
شرح الأربعين النووية.
لابن عثيمين (ص115).
شرح النووي على مسلم (2/ 37).
Cited in books
11 BooksNy Fanampiny (11)
- الحديث زاد 4الحديث 4«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنا: لِمَنْ؟ قال: «لِلَّهِ وَلِكِتابِهِ وَلِرسولِهِ وَلِأَئِمَّةِ المُسْلِمِينَ وَعامَّتِهِمْ».
- تحفة الأخيار تحفة الأخيار (ببيان جملة نافعة مما ورد في الكتاب والسنة من الأدعية والأذكار)«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «لِلَّهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلأَِئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ» [99]
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 2«الدِّينُ النَّصِيحَةُ»، قُلْنَا: لِمَنْ ؟ قَالَ: «لله وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلأئمَّةِ المُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ».
- قاموس الكبائرموسوعة الكبائر - المجموعة الثالثة«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قلنا: لمن؟ قال: «لِلَّهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ» [106].
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)التربية الأسلامية 1«الدِّينُ النّصِيحةُ»، قُلْنا: لِمنْ؟ قال:«لِلّهِ ولِكِتابِهِ ولِرسُولِهِ ولِأئِمّةِ الْمُسْلِمِين وعامّتِهِمْ»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)التربية الأسلامية 1«الدِّينُ النّصِيحةُ»، قُلْنا: لِمنْ؟ قال: «لِلّهِ ولِكِتابِهِ ولِرسُولِهِ ولِأئِمّةِ الْمُسْلِمِين وعامّتِهِمْ»
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (3)، والسيرة النبوية (3)التربية الإٍسلامية -3- «الدِّينُ النَّصِيحَةُ»، قلنا: «لمن؟»، قال: «ﷲِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ»
- مشروع منهاج زادكزادك 2 طالب نهائي«الدِّينُ النَّصِيحَةُ». قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «للهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ»
- نبراس طالب (1)1«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «لِلهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ»
- نبراس طالب (1)1«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «لِله وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ»
- نبراس طالب (3)نبراس طالب 3«الدِّينُ النَّصِيحَةُ» قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: «للهِ وَلِكِتَابِهِ وَلِرَسُولِهِ وَلِأَئِمَّةِ الْمُسْلِمِينَ وَعَامَّتِهِمْ»