Skip to content

"Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”

Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :

"Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”

«مَنْ يَضْمَنْ لِي مَا بَيْنَ لَحْيَيْهِ وَمَا بَيْنَ رِجْلَيْهِ أَضْمَنْ لَهُ الْجَنَّةَ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza zavatra roa i Mpaminany (S.A.W), ka raha mitandrina mafy amin'izany ny silamo dia hiditra any amin'ny paradisa izy. Voalohany : Mamehy ny lela tsy hiteny izay mahatezitra an’i Allah ilay Tsitoha. Ny faharoa : Fiarovana ny taovam-pananahana mba tsy ho latsaka amin’ny fijangajangana. Satria ireo rantsambatana roa ireo dia matetika mampilatsaka ny olona amin'ny fahotana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fiarovana ny lela sy ny fitaovam-pananahana dia fomba iray mety hidirana ao amin’ny Paradisa.

Nolazainy manokana ny lela sy ny henatra satria izy ireo no loharanon’ny fahoriana lehibe indrindra ho an’ny olombelona eto an-tany sy ny any ankoatra.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 100) (6474).

Ny Fanampiny (11)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

تأليف سليم الهلالي (3/ 9).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

تأليف د.

مصطفى الخِن وغيره (2/ 1035).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (18/ 85).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (6/ 117).

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري.

للقسطلاني (9/ 272).