Skip to content

I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :

I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.

لعن رسول الله صلى الله عليه وسلم الرجل يلبس لِبْسَةَ المرأة، والمرأة تلبس لِبْسَةَ الرجل.

Notaterin'i Nasày Ao amin'ny Kobra sy Ibno Màdjah amin'ny heviny ary Ahmadi
Mari-pototra
Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka ny fandroahana sy ny fanesorana amin'ny famindram-pon'I Allah ny lehilahy rehetra izay maka tahaka ny vehivavy amin'ny fitafy, na eo amin’ny bika aman’endrika, na loko, na fomba, na fomba fitafy, na haingo, na zavatra hafa, Na koa ho an'ny vehivavy maka tahaka ny fitafian'ny lehilahy, izay fahotana lehibe.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Hoy i Al-Shawkani : Voarara amin'ny vehivavy ny maka tahaka ny lehilahy ary ny lehilahy maka tahaka ny vehivavy. Satria ny ozona dia mihatra amin'ny asa voarara.

Hoy I Ibn Othaymeen : Izay iraisan'izy ireo, toy ny akanjo sasany anaovan'ny lehilahy sy vehivavy, dia tsy misy maharatsy izany, izany hoe tsy misy maharatsy ny manao izany ny lehilahy sy ny vehivavy Satria miaraka.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (6/ 195) (4098).

Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (8/ 297) (9209).

Sonan Ibn Màjah (3/ 95) (1903).

Mosnad Ahmad (14/ 61) (8309).

Ny Fanampiny (8)

نزهة المتقين.

لمجموعة من الباحثين (2/ 1122).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (19/ 337).

بهجة الناظرين.

لسليم الهلالي (3/ 150).

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (6/ 370).