Skip to content

“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”.

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe :

“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”.

فَرَضَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ زَكَاةَ الفِطْرِ صَاعًا مِنْ تَمْرٍ، أَوْ صَاعًا مِنْ شَعِيرٍ، عَلَى العَبْدِ وَالحُرِّ، وَالذَّكَرِ وَالأُنْثَى، وَالصَّغِيرِ وَالكَبِيرِ مِنَ المُسْلِمِينَ، وَأَمَرَ بِهَا أَنْ تُؤَدَّى قَبْلَ خُرُوجِ النَّاسِ إِلَى الصَّلاَةِ.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nodidian'ny Mpaminany (S.A.W) fandoavana ny Zakat al-Fitr aorian'ny Ramadany, izy io dia swaa ary ny lanjany dia in'efatra mandroaka amin'ny tànan-dehilahy. Ny Modd : dia mameno ny felatan'ny olon-tsotra, amin'ny daty na vary ny mpino silamo tsirairay; olon-tsotra sy andevo, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary izany dia ho an’izay manana hanina ampy ho an’ny andro aman’alina, ho an’ny tenany sy ho an’izay ambany fiahiany. Nandidy ny hamoahana izany alohan’ny hivoahan’ny olona mandeha amin’ny vavaka Eid.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny Zakat al-Fitr amin'ny Ramadany dia tsy maintsy avoakan'ny tanora sy ny antitra, ny olon-tsotra sy ny andevo, ary ny andevo sy ny tompony dia ny lehibeny no voalaza amin'izany, ary ny lehilahy dia tsy maintsy mandoa izany ho an'ny tenany, amin'ny zanany, ary izay eo ambany fahefany.

Ny Zakat al-Fitr dia tsy adidy amin'ny zaza am-bohoka, fa tsaratsara raha amohana.

Fanazavana ny zavatra avoaka amin'ny Zakat al-Fitr, ary izany no fiveloman'ny olona.

Tsy maintsy atao ny mamoaka azy alohan'ny vavaka Eid, ary tsara kokoa raha ny marainan'ny Eid, ary azo atao iray na roa andro mialoha ny Eid.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 130) (1503).

Sahìh Moslim (2/ 679) (986).

Ny Fanampiny (6)

تيسير العلام.

لعبد الله البسام (ص309).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الإحكام.

لابن عثيمين (3/ 406).

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (1/ 249).