Skip to content

"Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay."

Tatitra azo avy amin'i Abou Mousa Al-Ash'ari (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay mitam-piadiana hamely anay dia tsy namanay."

«مَنْ حَمَلَ عَلَيْنَا السِّلَاحَ فَلَيْسَ مِنَّا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fitondrana fitaovam-piadiana hanoherana ny mpino silamo, mba hampitahorana azy ireo na handroba azy ireo. Ka izay manao izany tsy ara-drariny dia nanao heloka bevava sy fahotana lehibe, ary mendrika izany fandrahonana mafy izany.

ireo dikan-teny

من حمل علينا السلاح: المقصود به من حمل السلاح؛ لقتال المسلمين أو لإرهاربهم.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fampitandremana mafy ny mpino silamo ny hiady amin'ny silamo namany.

Anisan'ny faharatsina lehibe sy fanimbana lehibe eto ambonin'ny tany ny fandrangarangana fitaovam-piadiana amin'ny mpino silamo, ary fanimbana amin'ny alalan'ny famonoana.

Ny fandrahonana voalaza io dia tsy miresaka ny ady noho ny fahamarinana, toy ny ady amin'ny mpandika lalàna, mpanao ratsy, sy ny hafa tahaka azy ireo.

Voarara ny mampitahotra ny mpino silamo amin'ny fitaovam-piadiana na zavatra hafa - eny fa na dia amin'ny vazivazy aza.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (9/ 49) (7071).

Sahìh Moslim (1/ 98) (100).

Ny Fanampiny (8)

خلاصة الكلام شرح عمدة الأحكام.

لفيصل آل مبارك (ص406).

الإفهام في شرح عمدة الأحكام.

لابن باز (ص815).

الإلمام بشرح عمدة الأحكام.

لإسماعيل الأنصاري (2/ 195).

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

لعبد الله البسام (ص752).