“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”. Amin'ny hadith-n'i Bokhari : "Ny ankizy miarahaba ny olon-dehibe, ny mpandalo miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro".
«يُسَلِّمُ الرَّاكِبُ عَلَى المَاشِي، وَالمَاشِي عَلَى القَاعِدِ، وَالقَلِيلُ عَلَى الكَثِيرِ». وَلِلبُخَارِي: «يُسَلِّمُ الصَّغِيرُ عَلَى الكَبِيرِ، وَالمَارُّ عَلَى القَاعِدِ، وَالقَلِيلُ عَلَى الكَثِيرِ».
Nanome toromarika momba ny fahalalam-pomba amin'ny fifampiarahabana eo amin'ny samy olombelona ny Mpaminany (S.A.W) nilaza manao hoe : “Assalam Alaikom Wa rahmatollahi Wa barakatoh, izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan'i Allah”. ka ny ankizy miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy anisa miarahaba ny maro.
Tsara ny miarahaba olona araka ny voalaza ao amin'ilay hadith. Fa raha ny mpandeha an-tongotra no miarahaba ny mpitaingina, sy ny hafa ankoatr'izany araka ny voalaza dia mety, saingy mifanohitra amin'ny tokony ho izy sy ny tsara kokoa.
Ny fanaparitahana ny fiarahabana araka ny fomba voalaza ao amin'ny Hadith dia iray amin'ireo antony mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana.
Raha itovizan'izy ireo anefa ilay voalaza amin'ny Hadith dia izay manomboka ny fiarahabana no tsara kokoa amin'izy ireo.
Ny fahafenoan’ny lalàna Islamika ity eo amin'ny fanazavana izay rehetra ilain’ny olona.
Fampianarana ny fahalalam-pomba eo amin’ny fiarahabana sy ny fanomezana ny tsirairay ny zony.
Sahìh Al-Bokhari (8/ 52) (6232).
Sahìh Moslim (4/ 1703) (2160).
Ny Fanampiny (11)
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (11/ 280).
بهجة الناظرين.
تأليف: سليم الهلالي (2/ 137).
نزهة المتقين.
مجموعة من الباحثين (1/ 666).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (4/ 407).
منار القاري.
لحمزة قاسم (5/ 257).
الأدب النبوي (ص159).
Cited in books
4 BooksNy Fanampiny (4)
- الحقيقة المُبْهِرَة في العلاقة بين الإسلام والإنسان(يسلم الصغير على الكبير، والمار على القاعد، والقليل على الكثير)[224].
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 5«يُسَلِّمُ الرَّاكبُ عَلَىٰ المَاشي، والمَاشي عَلَىٰ القَاعد، والقليلُ عَلَىٰ الكَثير».
- ما لا يسع أطفال المسلمين جهله«يُسَلِّمُ الرَّاكِبُ عَلَى المَاشِي، وَالمَاشِي عَلَى القَاعِدِ، وَالقَلِيلُ عَلَى الكَثِيرِ»[153].
- نبراس طالب (2)نبراس طالب (2) «يُسَلِّمُ الرَّاكِبُ عَلَى الْمَاشِي، وَالْمَاشِي عَلَى الْقَاعِدِ، وَالْقَلِيلُ عَلَى الْكَثِيرِ»