Skip to content

izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.

Tatitra azo avy tamin'i Othman bin Abi Al-'Asi (R.A) :

Tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ary niteny hoe : Ry irak’Allah ô! Noelanelanin'ny Satana amin'ny fivavahako sy ny famakiako aho, nosaromany tamiko izany. Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) hoe : "izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.”, hoy izy : “Dia nataoko izany, ka nesorin’Allah tamiko izy.

أنه أَتَى النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّ الشَّيْطَانَ قَدْ حَالَ بَيْنِي وَبَيْنَ صَلَاتِي وَقِرَاءَتِي يَلْبِسُهَا عَلَيَّ، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «ذَاكَ شَيْطَانٌ يُقَالُ لَهُ خِنْزَِبٌ، فَإِذَا أَحْسَسْتَهُ فَتَعَوَّذْ بِاللهِ مِنْهُ، وَاتْفُلْ عَلَى يَسَارِكَ ثَلَاثًا»، قَالَ: فَفَعَلْتُ ذَلِكَ فَأَذْهَبَهُ اللهُ عَنِّي.

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Othman bin Abi Al-'As (R.A), dia tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allah ô! Ny satana no nanakana ahy tsy hivavaka, sy tsy hankatò an'Allah, ary ny tsy fisian'ny fifatoham-po ao aminy, sy nampisafotofoto ny fanononako ary nahatonga fampisalasalana ho ahy amin' izany. Dia hoy ny irak'Allah taminy : devoly antsoina hoe Khinzab izany, raha hitanao izany ka tsapanao, dia mitadiava fialofana sy fiarovana amin'alalan'Allah aminy, ary tsofy in-telo ny tànanao havia miaraka amin'ny rora kely. Hoy i Othman: Ka dia nanao izay nandidian'ny Mpaminany (S.A.W) ahy aho, ka nesorin'Allah tamiko izy.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha-zava-dehibe ny fifatoham-po eo am-pivavahana fa ny satana dia miezaka ny handrebireby sy hametraka fisalasalana momba izany.

Amporisihina ny hitady fiarovana noho ny satana rehefa mibitsibitsika mandritra ny vavaka izy, sady mandrora miankavia in-telo.

Manazava ny zavatra nataon'irezo mpanaradia (R.A), amin'ny ny fiverenana amin'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny olana nanjo azy ireo, mba hahafahany mamaha izany ho azy ireo.

Velona ny fon'ireo mpanaradia, ary ny any ankoatra no nimatimatesan'izy ireo.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (4/ 1728) (2203).

Ny Fanampiny (3)

إكمال المعلم (7/110).

شرح النّووي على مسلم (14/190).

البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (36/ 136).