“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah Bin Mas’odi (R.A) : Niteny ny Irak'allah (S.A.W) manao hoe :
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
«أَوَّلُ مَا يُقْضَى بَيْنَ النَّاسِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ فِي الدِّمَاءِ».
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra voalohany hotsaraina eo amin'ny samy olombelona amin'ny tsy rariny nifanaovan'izy ireo amin'ny andro farany dia ny rà, toy ny famonoana sy ny fandratrana.
...:
Zava-dehibe ny resaka fandatsahan-drà, satria ny fiatombohan-javatra dia miainga amin'ny lehibe indrindra.
Mitombo ny fahotana araka ny halehiben’ny fahasimbana aterany, ary ny fandatsahana ain’olona tsy manan-tsiny no anisan’ny fanimbana lehibe indrindra, ary tsy misy lehibe noho izy afa-tsy ny tsy finoana sy ny fanompoan-tsampy.
Sahìh Al-Bokhari (9/ 2) (6864).
Sahìh Moslim (3/ 1304) (1678).
Ny Fanampiny (6)
خلاصة الكلام شرح عمدة الأحكام.
لفيصل آل مبارك (ص319).
تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.
للبسام (ص640).
الإلمام بشرح عمدة الأحكام.
لإسماعيل الأنصاري (2/ 103).