Skip to content

"Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".

«مَنْ قَالَ: سُبْحَانَ اللهِ وَبِحَمْدِهِ، فِي يَوْمٍ مِائَةَ مَرَّةٍ، حُطَّتْ خَطَايَاهُ وَإِنْ كَانَتْ مِثْلَ زَبَدِ الْبَحْرِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza miteny in-jato isan’andro hoe : “Soubouhànalloàhy wa bihamdihy = Voninahitra ho an’Allah ary ho Azy ny dera”; dia voavela ny helony, na dia maro aza, tahaka ny rotran-dranomasina fotsy miposaka eny amin’ny ranomasina, rehefa manonja sy misafoaka.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Io valisoa io dia ho azon'izay miteny azy mifanesy na misaraka isan'andro.

Ny fiderana : dia fanadiovana an’Allah amin’ny tsy fahalavorariana, ary (Alhamdoulillahi) Fsaorana : filazana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy ny voninahitra.

Ny tiana holazaina ao amin'ny Hadith dia ny famafana ny fahotana madinika, fa ny ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny fibebahana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 86) (6405).

Sahìh Moslim (4/ 2071) (2691).

Ny Fanampiny (8)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 535).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 401).

فتح ذي الجلال والإكرام.

لابن عثيمين (6/ 470).

سبل السلام بشرح بلوغ المرام.

للصنعاني (2/ 704).