Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

45 of 665 cards

Clear filters
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmadi sy Tirmizi sy Nasày ary Ibno Màdjah
" Avelao izay manalasala Anao eo anatrehan'izay tsy manalasala Anao ".
Mari-pototra Notaterin'i Tirmizi sy Nasày
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
“Holazaina amin’izay mpamaky ny boky masina Koroany fa hoe : Mamakia sy miakara ary vakio tsara toy ny fanaonareo teny ambonin'ny Tany, Satria ny toeramboninahitra omena anao farany dia eo amin’ny andininy farany izay vakinao ”.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
Hoy izy rehefa tratra ny maraina : “Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hiverenanay” Hoy izy rehefa amin’ny hariva : “Anao no nahatraranay ny hariva, ary Anao no nahatraranay ny maraina, ary Ianao no iainanay, Ianao no hahafatesanay, ary any Aminao no hiverenanay" ary indraindray izy miteny : "Ary any Aminao no tanjona farany."
Tsara Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày Ao amin'ny Kobra ary Ibn Màdjah
" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
Mari-pototra Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”.
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad
"Tsy lavina ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì