Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

76 of 665 cards

Clear filters
Niaraka tamin'ny solontenan'ny foko Bano Amir aho nankany amin'ny Irak'I Allah (S.A.W), hoy izahay : Ianao no lehibenay. Dia namaly izy hoe : "Ily lehibe indrindra dia I Allah", Dia hoy izahay : Ny tena be voninahitra indrindra aminay, ary be fanolorana sy voninahitra sy fahamboniana, Dia namaly izy: “Lazao izay lazainareo, na izay tianareo lazaina, fa aza avela haka fanahy anareo ny Satana”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
Nisy Lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny manao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra am-pony, dia alehony lavitra ho tratran'ny gripa toy izay hiteny izany, hoy i Mpaminany (S.W.A) : " Allah Akbar, Allah Akbar, Lehibe tokoa i Tompo Allah, Lehibe tokoa i Tompo Allah fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy ".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Al-Nasàì tao amin'ny Al-Kobra
" Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia ataontsika Halal, ary izay hitantsika fa Haram dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Irak'i Allah dia toy ny noraran'Allah ihany izany".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah
"Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
"Izay mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany dia mety alefan'Allah amin'ny rehetra ny saziny".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
"Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad