Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

42 of 665 cards

Clear filters
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Zazalahy taizan'Irak'i Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim