Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

79 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Ry irak'Allaha ô, tsy manana mpitarika hitarika ahy ho any amin'ny moske aho, ka nangataka tamin'ny irak'Allah izy mba hivavaka any an-trano, dia nomeny alàlana amin'izany izy, ary rehefa niala teo izy dia niantso azy indray i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Maheno fiantsona (Azan) ve ianao? Hoy izy : “Eny.” dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “dia valio ny antso.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao Takbir amin'ny fiondrehana, ary rehefa nanandratra ny lohany tamin'ny fiondrehany dia nanandratra azy roa koa; avy eo dia miteny hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo", ary tsy nanao izany izy rehefa niankohoka.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
"Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitarika anay tamin’ny vavaka swalat ny irak’Allah (S.A.W) indray maraina ka niteny manao hoe : “Niatrika ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy : “Niatriaka ve i ranona?” Hoy izy ireo : Tsia. Dia hoy izy (S.A.W) : “Ireto vavaka roa ireto dia mavesatra indrindra ho an’ny mpihatsaravelatsihy, ary raha fantatrareo ny ao anatiny dia ho nanao izany ianareo na dia nandady, Ny laharana voalohany dia toy ny laharan'ny anjely, ary raha fantatrareo ny hasarobidin'izany, dia ho nirohotra ho amin'izany ianareo, ary ny vavaky ny olona miaraka amin'ny olon-kafa dia tsara noho ny fivavahany irery, ary ny fivavahany miaraka amin'ny olona roa dia tsara noho ny azy miara-mivavaka amin’ny olon-kafa, ary isaky ny maro dia tian’I Allah kokoa.”
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad