" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
«إِذَا أَحَبَّ الرَّجُلُ أَخَاهُ فَلْيُخْبِرْهُ أَنَّهُ يُحِبُّهُ».
Manazava i Mpaminany (S.A.W) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy ireo, dia ny hoe raha misy olona mitia ny rahalahiny dia aoka izy hilaza amin'ny rahalahiny fa tiany izy.
Ny hatsaran’ny fitiavana madio noho i Allah ilay Tsitoha, fa tsy noho ny tombontsoan’izao tontolo izao.
Tsaratsara ny filazanao mivantana tsy miambahamba amin'ny Olona tianao nohon'i Allah ny fitiavanao azy, mba hampitombo ilay fitiavana sy ny fifankahazoana ao am-po.
Ny fanaparitahana ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka Mpino dia fomba iray manamafy orina ny firahalahiana aram-pinoana ary izany koa dia tena hafaka miaro tanteraka ny fiaraha-monina manoloana ny fisaratsarahana sy ny fizarazarana.
Sonan Abo Daòd (7/ 444) (5124).
Sonan At-Tirmizì (4/ 199) (2392).
Al-Sonan Al-Kobrà an'i Al-Nasàì (9/ 87) (9963).
Mosnad Ahmad (28/ 408) (17171).
Ny Fanampiny (12)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 450).
تطريز رياض الصالحين.
لفيصل المبارك (ص258).
رياض الصالحين للنووي.
(ص138) (383).
سلسلة الأحاديث الصحيحة وشيء من فقهها وفوائدها.
للألباني (1/ 777).
فيض القدير شرح الجامع الصغير.
للمناوي (1/ 247).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (6/ 279).