Skip to content

“Nirahina aho mba hameno ny fitondran-tena tsara.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Nirahina aho mba hameno ny fitondran-tena tsara.”

«إِنَّمَا بُعِثْتُ لِأُتَمِّمَ مَكَارِمَ الْأَخْلَاقِ».

Notaterin'i Boukhari ao amin'ny Al-Adab Al-Moufrad, sy Ahmad ary Al-Bayhaqi
Tsara
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa nirahin'I Allah Tsitoha izy mba hahatanteraka ny hasina sy ny fitondran-tena tsara. Ka ny nandefasana ny Mpaminany tohin'ireo iraka teo alohany, ary mba hahatanteraka ny fitondran-tena tsaran'ny Arabo. Satria nankatia hatsarana izy ireo ary mankahala ny ratsy, olona manana ny maha-izy azy, ny fahalalahan-tànana sy ny haja; Koa nirahina ny Mpaminany (S.A.W) hanitsy ny lesoka teo amin’ny fitondran-tenany, toy ny fireharehany amin’ny firazanana, ny fiavonavonana, ny fanamavoana ny mahantra, sy ny sisa.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Mamporisika ny fitondran-tena tsara ary mandrara ny mifanohitra amin'izany.

Fanazavana ny maha-zava-dehibe ny fitondran-tena tsara amin'ny lalàna Islamika ary anisan'ny laharam-pahamehana izany.

Ny olona talohan'ny finoana Silamo dia nanana fitondran-tena tsara tavela, anisan'izany ny fahalalahan-tànana, ny herim-po, ary ny zavatra hafa, ka ny finoana Silamo dia tonga nanampy azy ireo.

Loharano iverenana

Mosnad Ahmad (14/ 512) (8952).

Al-Sonany Al-Kobra an'i Al-Bayhaqi (10/ 191) (20819).

Ny Fanampiny (2)

Al-Adab Al-Mofid (ص104) (273).

عمدة القاري شرح صحيح البخاري (22/ 118).