"Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mihinàna Sahoor ianareo; satria ao amin'ny Sahoor dia misy fahasoavana"
«تَسَحَّرُوا، فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً».
Ny Mpaminany (S.A.W) dia namporisika ny ihinana sahoor, izany dia fihinana amin'ny faran'ny alina ho fanomanana ny fifehezana. Satria misy fahasoavana lehibe ao, toy ny valisoa sy tambiny, ary ny fitsanganana amin’ny faran’ny alina hivavaka, mampatanjaka mandritra ny fifehezana, fahazotoana amin’izany, ary manena ny fahasahiranana.
Tsara ny mihina sohoor sy manaraka ny didin'ny lalàna amin'ny fanaovana izany.
Hoy I Ibn Hajar ao amin'ny Fath al-Bari : Ny fahasoavana amin'ny Sohoor dia tonga amin'ny fomba maro, dia ny fanarahana ny Sonnah, ny tsy fitovizana amin'ny olon'ny Boky, ny fanamafisana ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'izany, ny fampitomboana ny asa, ny fiarovana amin'ny fitondran-tena ratsy ateraky ny hanoanana, ary ny fanomezana fiantrana ho an’izay mangataka amin’izany fotoana izany na miara-misakafo aminy, fahatsiarovana sy fitalahoana amin’ny fotoana iandrasana ny valiny, ary manitsy ny fikasana hifady hanina ho an’izay manao an-tsirambina alohan’ny hatoriana.
Ny fampianarana tsara azo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) satria izy no manambatra ny didy sy ny fahendrena. Mba hanazava ny fo, ary mahafantatra ny fahambonian'ny lalàna.
Hoy I Ibn Hajar : Ny Sohoor dia azo amin'ny sakafo sy zava-pisotro faran'izay kely indrindra.
Sahìh Al-Bokhari (3/ 29) (1923).
Sahìh Moslim (2/ 770) (1095).
Ny Fanampiny (4)
تيسير العلام.
لعبد الله البسام (ص317).
تنبيه الأفهام شرح عمدة الإحكام.
لابن عثيمين (3/ 416).
Cited in books
8 BooksNy Fanampiny (8)
- أسئلة وأجوبة عن شهر رمضان للصغار، ولا يستغني عنها الكبار«تَسَحَّرُوا؛ فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً»
- الصيام ومجموعة أسئلة في أحكامه«تَسَحَّرُوا فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً»[47].
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“تسحروا؛ فإن في السحور بركة”.
- تطبيق القرآن والأذكارسنن الصيام (تسحروا فإن في السحور بركة)[1].
- سنن الصيام - من كتاب الفقه الميسرسنن الصيام(تسحروا فإن في السحور بركة)[1].
- مجموعة زاد الفقه (3)الفقه 3«تسحَّروا فإنَّ في السحُور بركةً»
- من أحكام الصيام«تَسَحَّرُوا؛ فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً» [16].
- نبراس طالب (3)نبراس طالب 3«تَسَحَّرُوا؛ فَإِنَّ فِي السَّحُورِ بَرَكَةً»