Skip to content

Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.

Niteny Abo Al-'abbaasi, Sahalo Ibn San'di As-saa'idi (R.A), fa nisy lehilahy iray tonga tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ka nilaza hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ! Atoroy asa Aho, raha manao azy Aho dia ho tian'i Tompo Allah ary ho tian'ny Olona ihany koa. Dia hoy Izy :

Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.

«ازْهَدْ فِي الدُّنْيَا يُحِبُّكَ اللَّهُ، وَازْهَدْ فِيمَا عِنْدَ النَّاسِ يُحِبُّكَ النَّاسُ».

Notaterin'i ibn Maajah sy hafa ankoatra azy, amin'ny Isnaad Hassan.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane
Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A) mba hitari-dàlana Azy amin'ny asa, raha ataony, dia ho tian'i Tompo Allah Izy ary ho tian'ny Olona izany. Ka hoy Mpaminany (S.A.W) Taminy : Ho tia Anao i Tompo Allah raha mahafoy ny zava-tsarobidin’izao tontolo izao sy izay tsy hahasoa Anao any an-koatra Ianao, ary mahafoy izay mety hanimba ny finoanao. Ary ho tia Anao ny Olona, ​​raha mandà izay ananany amin’izao tontolo izao Ianao, Satria araka ny maha-izy azy no tiany, ka izay mifaninana Aminy dia halany tsy tiany, ary izay mahafoy izany ho Azy dia tiany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny hasin'ny fihafiana eto amin'izao tontolo izao, dia ny hoe : miala amin'izay tsy mahasoa ny any ankoatra.

Ny Zohodi dia ambony noho ny fitiavam-bavaka, Satria ny fitiavam-bavaka dia miala amin'izay mety hanimba, fa ny Zohodi dia miala amin'ny zavatra tsy mahasoa any ankoatra.

Hoy i Al-Sindi : Tena marina fa ny eto an_tany dia anisany zavatra tena tian'ny Olona amin'izao tontolo izao, ka izay mifaninana Aminy amin'izany dia ho halan'izy ireo hatramin'izay, ary izay mandao azy ireo sy ny Olon-tiany dia ho tian'ny fony hatramin'izay.

Loharano iverenana

Sonan Ibn Màjah (5/ 225) (4102).

Ny Fanampiny (7)

Al-arba'ouna An-nawawiyyah (ص118) (ح31).

التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية (ص73).

فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين (ص111).

الفوائد المستنبطة من الأربعين النووية.

للشيخ عبد الرحمن البراك (ص87).

الأحاديث الأربعون النووية وعليها الشرح الموجز المفيد.

لعبد الله بن صالح المحسن (1/61).