Skip to content

"Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".

«مَنْ قَرَأَ بِالْآيَتَيْنِ مِنْ آخِرِ سُورَةِ الْبَقَرَةِ فِي لَيْلَةٍ كَفَتَاهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin'ny ratsy rehetra, ary nilaza koa fa hoe : Ampy ho azy amin'ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza hoe : Ampy ho azy amin'ireny tonombavaka ireny, ary misy nilaza hoe : Ampy vakina mandritra ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza ankoatr'izany, fa ny rehetra voalaza dia marina mameno ny hevitra rehetra.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanazavana tombotsoan'ireo andininy farany ao amin'ny Sourat Al-bakarat, ary izany dia manomboka eo amin'ny tenin'i Allah hoe : ( Àmanar-Rasòli...) ka hatramin'ny faran'ny Sourat.

Andininy masina farany amin'ny Sourat Al-bakarat dia miaro ny mpamaky azy amin'ireo haratsina sy ny loza ary ny devoly raha mamaky izany amin'ny alina.

Ny alina dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ary mifarana amin'ny maraina.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (6/ 188) (5008-5009).

Sahìh Moslim (1/ 554) (807).

Ny Fanampiny (10)

فتح الباري بشرح صحيح البخاري.

لابن حجر (9/ 56).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 240).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص593).

مرقاة المفاتيح شرح مشكاة المصابيح.

لملا علي القاري (4/ 1465).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (2/ 757).