Skip to content

Tokony hamoahana Soadaka

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

Tokony hamoahana Soadaka avokoa ireo tonontaolana rehetra misy eo amin'ny vatan'ny Olombelona, isan'andro vaky izay hiposahan'ny masoandro; ary ny fampihavanana amin'ny endrika marina eo amin'Olon-droa tsy mifankahazo dia efa Soadaka; ny fanampiana ny Olona amin'ny lafiny fandaisana Azy eo amin'ny biby fitainginy dia Soadaka, na dia amin'ny fanampiana Azy fotsiny mba hiakatra ambonin'izany dia Soadaka, na koa amin'ny fibatana ireo entany ho eo ambonin'izany; ny teny tsara sy mamy aloakany vava dia Soadaka; isakin'ny famindra atao rehefa mandeha mamonjy Soalat dia Soadaka; ny fanalana an'izay manelingelina ny rehetra eny an-dàlana dia Soadaka.

«كُلُّ سُلَامَى مِنَ النَّاسِ عَلَيْهِ صَدَقَةٌ، كُلَّ يَوْمٍ تَطْلُعُ فِيهِ الشَّمْسُ تَعْدِلُ بَيْنَ الِاثْنَيْنِ صَدَقَةٌ، وَتُعِينُ الرَّجُلَ فِي دَابَّتِهِ فَتَحْمِلُهُ عَلَيْهَا أَوْ تَرْفَعُ لَهُ عَلَيْهَا مَتَاعَهُ صَدَقَةٌ، وَالكَلِمَةُ الطَّيِّبَةُ صَدَقَةٌ، وَكُلُّ خُطْوَةٍ تَمْشِيهَا إِلَى الصَّلَاةِ صَدَقَةٌ، وَتُمِيطُ الأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ صَدَقَةٌ».

Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay dia manana adidy isan'andro manao asa soa ho fanomezana an-tsitrapo amin'ny alalan'ny tsirairay amin'ireo vanin-taolany ho fankasitrahana an'i Allah amin'ny fahasalamany, sy ny nanaovany vanin-taolana eo amin'ny taolany mba ahafahany milefitra sy miampatra. Ary io fanomezana io dia mitatra amin'ny asa soa rehetra fa tsy mitsahatra amin'ny fanolorana vola ihany, ka anisan'izany ny : Ny rariny atao sy ny fampihavanana eo amin'ny olona roa mitady dia fanomezana. Ary ny fanampianao ny olona malemy hitaingina ny bibiny na mampiakatra ny entany dia fanomezana izany. Ary ny teny mamy, toy ny fahatsiarovana an'i Allah, ny fitalahoana, ny fiarahabana, sy ny sisa dia fanomezana. Ny dingana rehetra atao mankany amin'ny soalat dia fanomezana. Ary ny fanalana izay manimba na mandratra eny an-dàlana dia fanomezana.

ireo dikan-teny

سُلامى: بضم السين المهملة وتخفيف اللام مع القصر، وهي المفاصل، وقد ثبت في صحيح مسلم أنها ثلاثمائة وستون:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny firafitry ny taolan'olombelona sy ny fahasalamany dia iray amin’ireo fahasoavana lehibe indrindra avy amin’I Allah Ilay Tsitoha, ka isaky ny taolana tsirairay dia tokony hamoahana fanomezana avokoa, amin'ny anarany manokana mba ho tontosa ny fankasitrahana amin'izany fahasoavana izany.

Famporisihana hanavao ny fankasitrahana isan'andro mba ho fitohizan'ireo fahasoavana ireo.

Famporisihana amin'ny fanohizana ny asa an-tsitrapo sy fanomezana isan'andro.

Ny hatsaran'ny fampihavanana eo amin'ny olombelona.

Mamporisika ny olona mba hanampy ny rahalahiny; Satria ny fanampiany azy dia fanomezana.

Famporisihana ny olona hanatrika ny vavaka iombonana amin'ny alalan'ny dia tongotra, sy ny famelomana ny moske amin'ny alalan'izany.

Voadidy ny fanajana ny làlan'ny mpino silamo amin'ny fanesorana izay rehetra manimba na mandratra azy ireo.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 56) (2989).

Sahìh Moslim (1/ 498) (720).

Ny Fanampiny (17)

التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية.

مطبعة دار نشر الثقافة.

الإسكندرية.

الطبعة: الأولى.

1380 هـ.

شرح الأربعين النووية.

للشيخ ابن عثيمين.

دار الثريا للنشر.

فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين.

دار ابن القيم.

الدمام المملكة العربية السعودية.

الطبعة: الأولى.

1424هـ/2003م.

الفوائد المستنبطة من الأربعين النووية.

للشيخ عبد الرحمن البراك.

دار التوحيد للنشر.

الرياض.