Skip to content

“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny.

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny.

«أَيُّمَا امْرِئٍ قَالَ لِأَخِيهِ: يَا كَافِرُ، فَقَدْ بَاءَ بِهَا أَحَدُهُمَا، إِنْ كَانَ كَمَا قَالَ، وَإِلَّا رَجَعَتْ عَلَيْهِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny fitenenan'ny silamo iray amin'ny rahalahiny silamo hoe : Ry tsy mpino, dia ho lasa tsy mpino ny iray amin'izy roa, raha tahaky ny filazany tokoa ilay rahalahiny dia hihatra aminy, fa raha tsy izany kosa dia hiverina amin'ilay mpiteny ny tsy finoana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsy tsara ny filazan'ny mpino silamo amin'ny rahalahiny silamo zavatra tsy ahitana ny toetran'ny fahalotoam-pitondran_tena sy ny tsy finoana.

Fampitandremana amin'izany teny ratsy izany, ary izay miteny izany dia tandindomin-doza lehibe raha miteny amin'ny rahalahiny izany, ka dia tokony harovana ny lela, ary tsy hisy hiteny afa-tsy amin'ny fahalalana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (8/ 26) (6104).

Sahìh Moslim (1/ 79) (60).

Ny Fanampiny (3)

البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (2/ 390).

إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري (9/ 65).

النهاية في غريب الحديث والأثر (91).