"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe :
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.
«اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ».
Nitady fiarovana tamin'ny zavatra efatra i Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fanjavonan’ny fahasoavanao) na ara-pinoana na ara-piainana, ary tsy hivadika amin’ny finoana silamo ary hanalavitra ny filatsahana ao anaty fahotana izay manala ny fahasoavana. Ny faharoa : (ary fiovan'ny fahasalamanao) amin'ny fanovana izany ho amin'ny fahoriana; mangataka Aminao aho mba hanana fahasalamana sy fiarovana amin'ny fanaintainana sy ny aretina. Fahatelo : (ary ny fahatampohan'ny valifatinao) fahoriana na loza, ny sazy raha tonga tampoka sy tsy ampoizina, dia tsy hisy fotoana hibebahana sy hanitsiana azy, ary ho lehibe sy mafy kokoa ny iharan’izany. Fahefatra : (sy ny fahatezeranao rehetra) sy ny anton'ny fahatezeranao; Izay olona mahatezitra anao dia diso fanantenana sy very. Ary i nampiasa ny teny maro; Mba hampidirana ny anton’ny fahatezerany rehetra, amin’ny teny sy amin’ny asa ary amin’ny finoana.
Fanetren-tenan'ny Mpaminany (S.A.W) manoloana an'I Allah.
Tafiditra ao anatin’ity fangatahana fiarovana voatahy ity ny : fahombiazana eo amin’ny fisaorana noho ny fahasoavana, ary ny fiarovana amin’ny filatsahana amin’ny fahotana. Satria izy io dia manala fahasoavana.
Fifikirana amin'ny fanalavirana ireo toerana mahatonga ny fahatezeran'I Allah.
Fangataham-piarovana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny fahatampoan'ny fahatezeran’I Allah ilay Tsitoha. Satria raha mamaly faty an’ilay mpanompo Izy Allah, dia hisy fahoriana hanjo azy izay tsy ho voatosiny, ary tsy voatosin'ny zavaboary rehetra, na dia mitangorona avokoa aza izy rehetra.
Fangataham-piarovana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'I Allah amin’ny fiovan’ny fahasalamany. Satria raha nosoavin'I Allah tamin'ny fahasalamany izy dia nahazo ny soa rehetra ho an'ny tontolo roa, fa raha miova aminy kosa izany, dia ho ory amin'ny soa eo amin'ny tontolo roa izy, fa ny fahasalamana dia mitondra soa ho an'ny olona amin'ny fivavahana sy ny eto an-tany.
Sahìh Moslim (4/ 2097) (2739).
Ny Fanampiny (8)
توضيح الأحكام من بلوغ المرام.
لعبد الله البسام (7/ 568).
منحة العلام في شرح بلوغ المرام.
لعبد الله الفوزان (10/ 447).
فتح ذي الجلال والإكرام.
لابن عثيمين (6/ 495).
سبل السلام بشرح بلوغ المرام.
لمحمد الصنعاني (2/ 711 ).
Cited in books
6 BooksNy Fanampiny (6)
- الدعاء من الكتاب والسنة الدعاء ويليه العلاج بالرقى من الكتاب والسنة (للوزارة)62- ((اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ)).
- الدعاء ويليه العلاج بالرقى من الكتاب والسنةالدعاء من الكتاب والسنة62- «اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ»[23].
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"اللهم إني أعوذ بك من زوال نعمتك، وتحول عافيتك، وفُجَأة نقمتك، وجميع سخطك" .
- تحفة الأخيار تحفة الأخيار (ببيان جملة نافعة مما ورد في الكتاب والسنة من الأدعية والأذكار)«اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ» [22]
- تطبيق القرآن والأذكارأدعية النبي صلى الله عليه وسلم 62- ((اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ))[75].
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 7«اللهم إنِّي أعُوذُ بكَ منْ زَوَال نعْمَتِكَ، وتحَوُّل عَافيتِكَ، وفُجاءَة نقْمتِكَ، وجميع سَخطِكَ».