Skip to content

“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".

Tatitra avy tamin'ny Khawla Al-Answariou (R.A) niteny : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".

«إِنَّ رِجَالًا يَتَخَوَّضُونَ فِي مَالِ اللهِ بِغَيْرِ حَقٍّ، فَلَهُمُ النَّارُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W), fa misy amin'ny olona izay mandany ny volan'ny mpino silamo amin'ny fomba tsy ara-drariny ary maka izany tsy ara-drariny koa, izany dia amin'ny dikany ankapobeny momba ny fanangonana sy fahazoana vola tsy eken'ny lalàna, sy fampiasana azy tsy amin'ny toerany, toy ny fihinanana ny volan’ireo zaza kamboty sy ny vola natolotra ho an'ny daholobe, ka nivadika tamin'ny fitokisana ary naka azy amin'ny fomba tsy mendrika. Avy eo izy (S.A.W), dia nilaza fa ny valin-kasan'izy ireo dia ny Afobe amin'ny andro farany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny vola eo am-pelatanan’ny olona dia volan’i Allah, nanendry azy ireo Allah ho mpitantana azy ary hampiasa azy amin’ny fomba ara-dalàna, ary hisoroka ny fandaniana izany amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Amin'ny ankapobeny izany dia eo amin'ny governora sy ny olon-kafa.

Ny fahamafisan'ny lalàna Islamika momba ny volam-bahoaka, ary na iza na iza miandraikitra izany dia ho tsaraina amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty tamin'ny fanangonana sy ny fampiasana azy.

Tafiditra amin'ity fandrahonana ity izay rehetra mampiasa sy mandany ny vola aman-karena tsy ara-dalàna, na volany izany na an’olon-kafa.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 85) (3118).

Ny Fanampiny (6)

فتح ذي الجلال والاكرام بشرح بلوغ المرام.

لابن عثيمين (6/ 372).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (10/ 231).

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

للبسام (7/ 424).