Skip to content

"Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany ."

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

"Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany ."

«مَنْ حَجَّ لِلهِ فَلَمْ يَرْفُثْ وَلَمْ يَفْسُقْ رَجَعَ كَيَوْمِ وَلَدَتْهُ أُمُّهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa izay rehetra nanao sy nanatanteraka ny fivanianana masina ho an'i Allah ilay avo Tsitoha ka tsy nanao asa mirakitra vetaveta, ary anisany asa vetaveta: toy ny firaisana ara-nofo sy ireo fampidirana amin'izany toy ny fifanorohana sy ny fisafosafona, ary antsoina ihany koa hoe fahalotoana ara-pitondran_tena. Ary tsy nanao fahotana sy ny asa ratsy rehetra maro isan-karazany, Ary anisan'ireo fahalotoana ara-pitondran_tena dia ny fanaovana ireo voarara amin'ny fotoana izay mbola misikina ny lamba atao hoe : IHRAM, ka rehefa niverina avy tamin’ny fanaovana ny Hadjy izay nataony Izy dia voavela avokoa ny fahotana sy ny fahadisoana izay nivitany, ka dia lasa tahaka ny zaza kely voateraka izay tsy nisy ota Izy.

ireo dikan-teny

كيوم ولدته أمه: أي رجع من حجه بغير ذنوب.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahavetavetana dia voarara avokoa amin'ny tranga sy fotoana rehetra, ka izany dia nohamafisin'ny Mpaminany (S.A.W) ny mahavoarara azy ny mba ho fanajana tanteraka ireo fomba amam-panao rehetra hatao amin'ny fivanianana masina.

Ny olona dia teraka tsy misy fahotana, ary tena afaka madiodio amin’ny ota; ary dia tsy mitondra ny fahotan’ny hafa ihany koa Izy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (2/ 133) (1521).

Sahìh Moslim (2/ 983) (1350).

Ny Fanampiny (10)

رياض الصالحين من كلام سيد المرسلين (ص358) (1274).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 401).

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (15/ 378).

شرح رياض الصالحين.

للشيخ محمد بن صالح العثيمين (5/ 321).

شرح النووي على مسلم (9/ 119).

إكمال المعلم بفوائد مسلم.

للقاضي عياض (4/ 462).