Skip to content

" Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa".

Tatitra avy tamin'i Màqil bin Yasàr Al-Mozani (R.A) niteny hoe : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

" Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa".

«مَا مِنْ عَبْدٍ يَسْتَرْعِيهِ اللهُ رَعِيَّةً، يَمُوتُ يَوْمَ يَمُوتُ وَهُوَ غَاشٌّ لِرَعِيَّتِهِ، إِلَّا حَرَّمَ اللهُ عَلَيْهِ الْجَنَّةَ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona rehetra izay notendren'i Allah mpitantana sy tompon'andraikitra eo amin'ny vahoaka, tafiditra ao avokoa na mpitantana amin'ny ankapobe toy ny andriana, na mpiambina manokana toy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tranony, nefa manao an-tsirambina ny zon’ireo Olom-peheziny, namitaka azy ireo, tsy manoro hevitra azy ireo, ka nanary ny zo ara-pivavahana sy ara-piainana eto antany, dia mendrika azy ny sazy ity mahery vaika.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ity fandrahonana ity dia tsy natao manokana ho an'ny mpitantana lehibe sy ny lefiny, fa miantefa amin'ny rehetra izay nomen’i Allah fahefana.

Adidy ho an’izay rehetra voatendry hanao zavatra eo amin’ny raharahan’ny silamo ny manoro hevitra azy ireo, ary miezaka manatanteraka ny andraikitra, ary mitandrina mafy amin’ny famadihana.

Halebeazan’ny andraikin’izay nomena andraikitra na ho amin'ny ankapobeny izany na koa manokana, lehibe na kely.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (9/ 64) (7150).

Sahìh Moslim (1/ 125) (142).

Ny Fanampiny (6)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 706).

فيض القدير شرح الجامع الصغير.

للمناوي (5/ 488).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (1/ 543).