Skip to content

" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe:

" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".

«السِّوَاكُ مَطْهَرَةٌ لِلْفَمِ، مَرْضَاةٌ لِلرَّبِّ».

Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny miborosy nify amin'ny hazo araky sy ny mitovy izany dia manadio ny vava amin'ny loto sy ny fofona ratsy. Ary izy io dia anisan’ny mahatonga ny fahafaham-pon’i Allah amin’ny mpanompo iray; satria misy ny fankatoavana an’I Allah sy ny famaliana ny didiny, ary ny fahadiovana izany no tena tian’i Allah ilay Tsitoha.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny fahasoavan'ny fiborosiana ny nify, sy ny famporisihana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny vahoakany hampiasa izany im-betsaka.

Ny tsara indrindra amin'ny fiborosina nify dia ny mampiasa ny hazo arak, ary fampiasana ny borosy nify sy ny fanadiovana dia afaka misolo azy.

Loharano iverenana

Sonan An-Nasàì (1/ 10) (5).

Mosnad Ahmad (40/ 240) (24203).

Ny Fanampiny (6)

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 342).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمصطفى الخِن وغيره (2/ 852).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص675).