Skip to content

Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.

Tatitra azo avy amin'i Abou Al-Hayadj Al-Assadiou niteny :

Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.

قَالَ لِي ‌عَلِيُّ بْنُ أَبِي طَالِبٍ: أَلَا أَبْعَثُكَ عَلَى مَا بَعَثَنِي عَلَيْهِ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ؟ أَنْ لَا تَدَعَ تِمْثَالًا إِلَّا طَمَسْتَهُ، وَلَا قَبْرًا مُشْرِفًا إِلَّا سَوَّيْتَهُ.

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

I Mpaminany (S.W.A) dia naniraka ny mpiara-dia aminy tsy hamela "sarivongana" - izany sarin'ny zavatra misy fanahy ara-nofo na tsy ara-nofo - raha tsy hoe esoriny na potehiny izany. Ary tsy tokony hamela fasana avo izy ireo, raha tsy hoe ampitoviziny amin’ny tany izany ka ravany izay trano eo amboniny, na hatao fisaka mba tsy hampiakatra azy ho ambony dia ambony amin’ny tany, fa ampikarina ho avo kely amin'ny tany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fandrarana ny fakana sary ny zavamananaina; Satria làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy izany.

Ny maha ara-dalàna ny fanesorana ny ratsy amin’ny tànana ho an’izay manana fahefana na hery manao izany.

Fizirizirian'ny Mpaminany (S.A.W) ny hanaisotra ireo zavatra rehetra mampatsiahy ny vanim-potoana talohan'ny silamo (habadoana), anisan'izany ny sary, ny sarivongana ary ny tranobe eo amin'ny fasana.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (2/ 666) (969).

Ny Fanampiny (8)

القول المفيد على كتاب التوحيد.

لابن عثيمين (2/ 446).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص402).

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص447).

كتاب التوحيد.

للإمام محمد بن عبد الوهاب (ص138).