"Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa".
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa Al-Ash'ari (R.A), niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe :
"Izay nanao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa dia miditra amin'ny Paradisa".
«مَنْ صَلَّى الْبَرْدَيْنِ دَخَلَ الْجَنَّةَ»
Namporisika ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fahazotoana manao vavaka amin'ny fotoana mangatsiatsiaka roa, izany dia Fajr sy Asr, ary nanome vaovao mahafaly ho an'izay manatanteraka izany amin'ny zony feno eo amin'ny lafiny fotoana sy miaraka amin'ny maro sy ny hafa ankoatr'izany, ny fanaovany izany dia antony hidirany amin'ny Paradisa.
Fahasoavana azo amin'ny fifikirana amin'ny vavaka Fajr sy Asr; satria amin'ny fajr dia ao anatin'ny tsiron'ny torimaso, ary ny Asr dia ao am-panatanterahana ny raharaham-pivelomana, ka izay mifikitra amin'izy roa dia azo antoka kokoa hifikitra amin'ny vavaka sisa ambiny.
Nantsoina hoe mangatsiatsiaka ny vavaka fajr sy Asr; satria ny Fajr ahitana atsiakan'ny alina, ary ny Asr ahitana atsiakan'ny atoandro, na dia amin'ny fotoana mafana aza fa io fotoana io mba efa malefaka kokoa ny hafanany raha oharina amin'ny teo alohany, na koa fiantsoana azy tahaka izany dia noho ny fanakambanana fotsiny toy ny fitenenana hoe : ny volana roa izay ilazana ny masoandro sy ny volana.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 119) (574).
Sahìh Moslim (1/ 440) (635).
Ny Fanampiny (4)
نزهة المتقين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 159).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (2/ 187).
Cited in books
3 BooksNy Fanampiny (3)
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح“من صلى البردين دخل الجنة”.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 1 «مَنْ صَلَّىٰ الْبَرْدَيْنِ دَخَلَ الْجَنَّةَ».
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 5«مَن صلَّىٰ البَرْدَيْنِ دَخَلَ الجَنَّةَ».