"Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
«يَسِّرُوا وَلَا تُعَسِّرُوا، وَبَشِّرُوا وَلَا تُنَفِّرُوا».
Mandidy ny olona hanamaivana sy hanamora ny raharaha rehetra momba ny finoana sy ny fiainana eto an-tany i Mpaminany (S.A.W), Saingy ao anatin’ny fetran’izay eken’Allah sy ny lalàna. Ary nampirisika azy ireo hitory ny vaovao mahafaly izy Mpaminany (S.A.W), fa tsy hampandositra azy ireo amin’izany.
...:
Ny andraikitry ny mino dia ny hahatonga ny olona ho tia an’Allah sy manentana azy ireo hanao ny tsara.
Tokony ataon'ireo mpiantso amin'ny fahamarina ho any amin'i Allah ny mijery amim-pahendrena ny fomba mahomby ho fampitana ny antson'ny finoana Islam ho any amin'ny olona.
Ny fitoriana ny vaovao tsara dia miteraka fifalina sy fahalianana ary fahatonina ho an’ny mpitory sy ny zavatra atolony ho an’ny olona.
Ny fankasarotanana dia miteraka fankahalana, fanalavirana ary fisalasalana momba ny tenin'ny mpitoriteny.
Ny haben’ny famindram-pon’Allah amin’ireo mpanompony sy ny fifaliany nanome azy ireo finoana mahafinaritra ary lalàna maivana sy mora.
Ny fanamorana izay vodidy amintsika, izany no nentin'ny lalàna islamika (Sharia).
Sahìh Al-Bokhari (1/ 25) (69).
Sahìh Moslim (3/ 1358) (1732).
Ny Fanampiny (6)
شرح صحيح البخاري.
لابن بطال (1/ 153).
إرشاد الساري لشرح صحيح البخاري.
لأبو العباس القسطلاني (1/ 169).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 687).