Skip to content

“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”

Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) nanao hoe :

“Aza manompa ny mpanara_diako, fa raha manao fandanina volamena mitovy amin’ny Ohod ny iray aminareo, dia tsy ho tonga amin’ny ezaka iray nataon'izy ireo, na dia ny antsasany aza.”

«لاَ تَسُبُّوا أَصْحَابِي، فَلَوْ أَنَّ أَحَدَكُمْ أَنْفَقَ مِثْلَ أُحُدٍ ذَهَبًا مَا بَلَغَ مُدَّ أَحَدِهِمْ، وَلاَ نَصِيفَهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nandrara ny fanompana ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W), indrindra fa ireo nialoha làlana amin'izy ireo, avy amin'ireo mpifindra monina ny tompon-tanàna tao Madina; ary nilaza izy fa raha nanao fandanina volamena mitovy amin’ny tendrombohitr’i Ohod ny olona iray, dia tsy hitovy amin’ny valisoan’iray amin’ireo mpanaradia amin’ny alalan'ny famoahana sakafo rao-tanana iray na ny antsasany amin’izany– ny modd dia feno rano-tanana iray amin'ny lehilahy salasalany -; Izany dia noho ny fananan'izy ireo tombony amin'ny fahadiovam-po sy finiavana marina, sy fiandohan'izy ireo lalana tamin'ny famoahana ary ny ady masina talohan'ny nanokafana ny tanana'ny Makka, satria tena nilaina mafy izany.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Voarara ny manozona ny mpanara_dia - ho faly amin'izy ireo anie Allah - ary fahotana lehibe izany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (5/ 8) (3673).

Sahìh Moslim (4/ 1967) (2540).

Ny Fanampiny (8)

عمدة القاري شرح صحيح البخاري.

لبدر الدين العيني (16/ 187).

المنهاج شرح صحيح مسلم بن الحجاج.

للنووي (16/ 93).

الإفصاح عن معاني الصحاح.

ليحيى بن هبيرة (8/ 70).

نزهة النظر في توضيح نخبة الفكر في مصطلح أهل الأثر.

لأحمد بن حجر العسقلاني (ص111).