“Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry irak’Allah ô, manana havana aho, mifandray amin’izy ireo aho nefa nanapaka fihavanana amiko izy ireo, ary manao soa aminy aho nefa mampahory ahy izy ireo, ary mangoraka amin'izy ireo aho nefa tsy mahalala ahy akory izy ireo. Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”
أَنَّ رَجُلًا قَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ إِنَّ لِي قَرَابَةً أَصِلُهُمْ وَيَقْطَعُونِي، وَأُحْسِنُ إِلَيْهِمْ وَيُسِيئُونَ إِلَيَّ، وَأَحْلُمُ عَنْهُمْ وَيَجْهَلُونَ عَلَيَّ، فَقَالَ: «لَئِنْ كُنْتَ كَمَا قُلْتَ، فَكَأَنَّمَا تُسِفُّهُمُ الْمَلَّ وَلَا يَزَالُ مَعَكَ مِنَ اللهِ ظَهِيرٌ عَلَيْهِمْ مَا دُمْتَ عَلَى ذَلِكَ».
Nisy lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) fa nanana havana sy olona akaiky manao tsara fanahy tamin'izy ireo fa ny mifanohitra amin'izany kosa no nataon'izy ireo taminy Ary nifandray tamin'izy ireo izy ary tonga tany amin'izy ireo nefa nanapaka fihavanana aminy, ary nitondra azy ireo tamim-pahamendrehana sy tamim-pahatokiana nefa fanaovana asa ratsy azy no valiny, ary nandefitra sy namela azy ireo, ary tsy nahafantatra ny ratsy nataony izy ireo tamin'ny alàlan'ny teny sy fihetsika, ka mbola hifandray amin'izy ireo ve izy na dia eo aza ireo voalaza? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : Raha araka ny voalazanao izany, dia manala baraka azy ireo ianao ary manambany azy ireo, toy ny manome sakafo azy ireo lavenona mafana. Noho ny haben'ny hatsaram-panahinao sy ny fahafaham-baraka ataon'izy ireo amin'ny tenany, dia mbola hiaraka aminao avy amin'I Allah ianao izay hanampy anao hanohitra azy ireo ary hiaro anao tsy hanisy ratsy azy ireo raha mbola lazainao aminy ny hatsaranao, ary mbola manohy ny faharatsiany aminao izy.
Ny famaliana ny fanararaotana amin’ny hatsaram-panahy dia ny fiandrasana ny hiverenan’ny mpanao ratsy amin’ny fahamarinana, araka ny tenin’I Allah ilay Tsitoha manao hoe : (Valio amin’izay tsara kokoa izy, fa izay mifandrafy aminareo dia lasa ho toy ny mpinamana akaiky).
Ny fanarahana ny didin’I Allah, na dia misy loza aza manjo azy, dia anton’ny fanampian’I Allah ny mpanompo mino.
Fanaintainana sy fampijaliana eto an-tany ho an'ny fanapahana ny fifamatorana ara-pianakaviana, ary fahotana sy fanisana any ankoatra.
Ny mpino silamo dia tokony hahazo valisoa amin'ny asa soa ataony, ary ny fanimbana ny olona sy ny fahatapahan'ny fahazarana tsara dia tsy tokony hanapaka azy.
Tsy izay manohy ny fifamatoram-pihavanana aminao dia valinao no antsoina hoe mpanohy fihavanana, fa ny mpanohy fihavanana dia ilay manohy fihavanany amin'ireo nanapaka izany.
Sahìh Moslim (4/ 1982) (2558).
Ny Fanampiny (8)
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (9/ 220).
بهجة الناظرين.
لسليم الهلالي (1/ 698).
نزهة المتقين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 539).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (3/ 188).
Cited in books
4 BooksNy Fanampiny (4)
- المنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالح - المعتمدالمنتقى من المتجر الرابح في ثواب العمل الصالحوعن أبي هريرة رضي الله عنه أن رجلا قال: يا رسول الله إن لي قرابة أصلهم ويقطعوني، وأحسن إليهم ويسيئون إلي، وأحلم عنهم ويجهلون علي، فقال: “لئن كنت كما قلت، فكأنما تسفهم الملّ ولا يزال معك من الله ظهير عليهم ما دمت على ذلك”.
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 2«لَئِنْ كُنْتَ كَمَا قُلْتَ، فَكَأَنَّمَا تُسِفُّهُم المَلَّ، وَلا يَزالُ مَعَكَ مِنَ الله ظهِيرٌ عَلَيْهِمْ مَا دُمْتَ عَلىٰ ذَلِكَ».
- مجموعة زاد التربية الإسلامية (1)، والسيرة النبوبة (1)، والعقيدة (1)، والفقه (1)التربية الأسلامية 1« أن رجلًا قال: يا رسُول الله، إِنّ لِي قرابةً أصِلُهُمْ ويقْطعُونِي، وأُحْسِنُ إِليْهِمْ ويُسِيئُون إِليّ، وأحْلُمُ عنْهُمْ ويجْهلُون عليّ، فقال:«لئِنْ كُنْت كما قُلْت، فكأنّما تُسِفُّهُمُ الْملّ، ولا يزالُ معك مِن الله ظهِيرٌ عليْهِمْ ما
- نبراس طالب (1)1«لَئِنْ كُنْتَ كَمَا قُلْتَ، فَكَأَنَّمَا تُسِفُّهُمُ الْمَلَّ([9]) ، وَلَا يَزَالُ مَعَكَ مِنَ اللهِ ظَهِيرٌ عَلَيْهِمْ مَا دُمْتَ عَلَى ذَلِكَ»