Skip to content

“Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A), niteny manao hoe :

Hoy ilay Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsimpony vatokely aho.” Dia nitsimpona vato kely fito ho azy aho, izany ny vato kely fitorahina ao Akaba, dia nataony teo amin’ny felatànany izy ireo ka niteny izy manao hoe : “tahak'ireto no hitorahanareo.” Ary hoy izy : “Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".

قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ غَدَاةَ الْعَقَبَةِ وَهُوَ عَلَى نَاقَتِهِ: «الْقُطْ لِي حَصًى» فَلَقَطْتُ لَهُ سَبْعَ حَصَيَاتٍ، هُنَّ حَصَى الْخَذْفِ، فَجَعَلَ يَنْفُضُهُنَّ فِي كَفِّهِ وَيَقُولُ: «أَمْثَالَ هَؤُلَاءِ فَارْمُوا» ثُمَّ قَالَ: «أَيُّهَا النَّاسُ، إِيَّاكُمْ وَالْغُلُوَّ فِي الدِّينِ، فَإِنَّما أَهْلَكَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ الْغُلُوُّ فِي الدِّينِ».

Notantarain'i Ibn Màjah, Al-Nasàì ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akaba nandritra ny Hajj fanaovam-beloma. Koa nasainy nanangona vatokely ho azy izy, ka nanangona vatokely fito ho azy, izay mitovy habe amin’ny voanjo na voa kely ny iray amin'izy ireo, dia napetrany teo amin'ny tànany ary nahetsiketsiny, dia niteny izy avy eo hoe : Mitovy habe amin'ireto no hitorahanareo, Avy eo dia nampitandrina mafy ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fihoaram-pefy sy ny fanenjanana loatra ary ny fanitarana loatra amin’ny resaka finoana, satria ny vahoaka teo aloha dia rendrika tamin’ny alàlan’ny fihoaram-pefy sy ny fihizingizinana diso tafahoatra teo amin’ny lafiny finoana.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fandrarana amin'ny fihoaram-pefy amin'ny finoana, sy ny fanazavana ny voka-dratsy aterany, ary izy io no anton'ny faharendrehana.

Fandinihana ireo vahoaka nialoha làlana antsika mba hialana amin’ny fahadisoana nataony.

Famporisihana amin'ny fanarahana ny Sonnah.

Loharano iverenana

Sonan An-Nasàì (5/ 268)(3057).

Sonan Ibn Màjah (4/ 228) (3029).

Mosnad Ahmad (5/ 298) (3248).

Ny Fanampiny (4)

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص165).

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

لمحمد القرعاوي (ص179).