Skip to content

Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah

Tatitra azo avy tamin'i Aicha, Renin'ny mpino (R.A) niteny :

Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”

دَخَلَ عَلَيَّ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَقَدْ سَتَرْتُ سَهْوَةً لِي بِقِرَامٍ فِيهِ تَمَاثِيلُ، فَلَمَّا رَآهُ هَتَكَهُ وَتَلَوَّنَ وَجْهُهُ وَقَالَ: «يَا عَائِشَةُ، أَشَدُّ النَّاسِ عَذَابًا عِنْدَ اللهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ الَّذِينَ يُضَاهُونَ بِخَلْقِ اللهِ» قَالَتْ عَائِشَةُ: «فَقَطَعْنَاهُ فَجَعَلْنَا مِنْهُ وِسَادَةً أَوْ وِسَادَتَيْنِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Niditra tao an-tranony ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'i Aisha, ka hitany fa nosaronany lamba misy sarin'ny zavamananaina ny vata kely fitahirizan-javatra ka niova ny lokon’ny tarehiny noho ny hatezerana noho ny antony finoana ka nongotany izany dia niteny hoe : Ny olona hijaly indrindra amin’ny andro farany, dia ireo izay manamboatra zavatra mitovitovy endrika amin’ny zava-boarin’Allah. Hoy i Aisha : Ka nataonay ondana iray na roa izany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fanakanana amin'ny ratsy amin'ny fotoana hahitana azy ary tsy mangatam-potoana hanaovana izany, raha tsy miteraka fahavoazana lehibe kokoa.

Miovaova arakaraka ny hamafin’ny fahotana ny sazy amin’ny Andro farany.

Fahotana lehibe ny fanaovana sary zavamananaina.

Anisan’ny didy manakana amin'ny fankana sary ny fandrarana fakana tahaka ny zavaboarin’Allah Tsitoha, na mikasa ny haka tahaka izany ny mpaka sary na tsia.

Ny fahavitrihan'ny lalàna islamika amin'ny fiarovana ny harena sy ny fampiasana azy, rehefa avy nisoroka izay voarara ao.

Fandrarana ny fanaovana sarin'ny zavamananaina amin'ny endriny rehetra, na dia matihanina aza.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 168) (5954).

Sahìh Moslim (3/ 1668) (2107).

Ny Fanampiny (7)

القول المفيد على كتاب التوحيد.

لابن عثيمين (2/ 442).

الملخص في شرح كتاب التوحيد.

لصالح الفوزان (ص399).

الجديد في شرح كتاب التوحيد.

للقرعاوي (ص441).

كتاب التوحيد لمحمد بن عبد الوهاب (ص138).