Skip to content

" Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".

Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa AL-AS'ARIO (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :

" Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".

«إِذَا مَرِضَ الْعَبْدُ أَوْ سَافَرَ كُتِبَ لَهُ مِثْلُ مَا كَانَ يَعْمَلُ مُقِيمًا صَحِيحًا».

Notantarain’i Bokhari
Mari-pototra
Ny fanazavana

Milaza i Mpaminany (SAW) momba ny fahasoavan'i Allah sy ny famindram-pony, raha nanao asa tsara ny Mpino Islam nandritra ny fahasalamany sy ny nahateo an-toerana Azy, ka lasa nisy sakana tsy nahafahany nanao an'izany, Ohatra sendra narary Izy ka tsy nahavita intsony, na sahirana tamin'ny fanomanan-dia nataony, na koa fahasahiranana hafa, dia ny valisoany dia voasoratra ho Azy ihany amin'ny endrika feno, toy ny fanaony tamin'ny fahasalamany sy ny mahateo an-toerana Azy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Haleben'ny fahasoavan'I Allah amin'ireo mpanompony.

Famporisihana mba hiezaka amin'ny fankatoavana tanteraka an'i Tompo Allah ary fanararaotana ireo fotoana malalaka sy fahasalamana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (4/ 57) (2996).

Ny Fanampiny (6)

شرح رياض الصالحين.

لابن عثيمين (1/ 36).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (1/ 211).

بهجة قلوب الأبرار وقرة عيون الأخيار في شرح جوامع الأخبار.

لعبد الرحمن السعدي (ص83).