Skip to content

“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.

«الرَّاحِمُونَ يَرْحَمُهمُ الرَّحمنُ، ارحَمُوا أهلَ الأرضِ يَرْحْمْكُم مَن في السّماء».

Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny zava-drehetra, valisoa mifanaraka. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nandidy ny amin'ny famindram-po ho an'ny zavatra rehetra eto an-tany, na olona, ​​na biby, na vorona, na karazana zavaboary hafa, ary ny valisoa amin'izany dia Allah avy any ambony any an-danitra hamindra fo aminao.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny finoana silamo dia finoan'ny famindram-po, ary mifototra tanteraka amin'ny fankatoavana an'Allah sy ny hatsaram-panahy amin'ny zavaboary.

Allah ilay Tsitoha dia manana ny toetoetra mpamindra-fo, ary Izy Ilay Be fiantrana, Be famindram-po, Ilay mampita ny famindram-po amin'ny mpanompony.

Ny valisoa dia mitovy amin'ny asa natao, ka izay mamindra fo dia hamindra fo aminy Allah.

Loharano iverenana

Sonan Abo Daòd (7/ 297) (4941).

Sonan At-Tirmizì (3/ 483) (1924).

Ny Fanampiny (7)

مسند أحمد ط الرسالة (11/ 33) (6494).

تحفة الأحوذي بشرح جامع الترمذي.

لمحمد المباركفورى (6/ 43).

سلسلة الأحاديث الصحيحة وشيء من فقهها وفوائدها.

للألباني (2/ 594).

معارج القبول بشرح سلم الوصول إلى علم الأصول.

حافظ الحكمي (1/ 156).