Skip to content

"Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa".

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

"Tsy misy soalat manoloana ny sakafo efa vonina, na ho n'izay poretin'ny loto roa".

«لَا صَلَاةَ بِحَضْرَةِ الطَّعَامِ، وَلَا هُوَ يُدَافِعُهُ الْأَخْبَثَانِ».

Notantaraiin'i Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Ny irak'Allah (S.A.W) dia nandrara ny mivavaka eo anatrehan'ny sakafo efa vonona, izay irin'ny fanahin'ilay olona mivavaka sy ifantohan'ny fony. Norarany tahaka izany koa ny mivavaka rehefa tratry ny fahaporetana roa - ny amany sy tay - satria hifantoka amin'ny fanoherana ny fivoahan'ilay loto ny tenany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny mpivavaka dia tokony hanala izay rehetra manelingelina azy amin'ny vavaka ataony mialohan'ny hidirany amin'ny fivavahana.

Loharano iverenana

Sahìh Moslim (1/ 393) (560).

Ny Fanampiny (5)

شرح النووي على مسلم (5/ 46).

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص96).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (1/ 123).