Skip to content

"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".

Tatitra azo avy amin'i Abo Huoraira (R.A), Niteny i Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :

"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".

«مَنْ أَنْظَرَ مُعْسِرًا، أَوْ وَضَعَ لَهُ، أَظَلَّهُ اللهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ تَحْتَ ظِلِّ عَرْشِهِ يَوْمَ لَا ظِلَّ إِلَّا ظِلُّهُ».

Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay nanome fe-potoana fanampiny olona anànany trosa na koa namela Azy amin'izany trosa izany, valisoany dia : i Allah hanome azy halokaloka eo ambanin'ny seza fiandrianany amin'ny andro farany, rehefa midina hanatona ny lohan'ny mpanompony ny masoandro ary hahery vaika izany, Tsy misy mahazo alokaloka afa-tsy izay omen'Allah alokaloka ihany.

ireo dikan-teny

عرشه: العرش هو المخلوق العظيم الذي استوى عليه الرحمن، ولا يقدر قدرَه إلا الله عز وجل.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Fahasoavan'ny fanamorana atao amin'ny mpanompon'i Allah ilay Avo Tsitoha, ary iray amin’ireo antony hahazoana famonjena manoloana ny fahasahiranana lehibe amin'ny andro fitsanganana amin’ny maty.

Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (2/ 575) (1306).

Mosnad Ahmad (14/ 329) (8711).

Ny Fanampiny (8)

كنوز رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (16/ 412).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

لسليم الهلالي (2/ 459).

فيض القدير شرح الجامع الصغير.

للمناوي (6/ 89).

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

لمجموعة من الباحثين (2/ 947).