Skip to content

“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.

«لاَ تَقُومُ السَّاعَةُ حَتَّى يَمُرَّ الرَّجُلُ بِقَبْرِ الرَّجُلِ فَيَقُولُ: يَا لَيْتَنِي مَكَانَهُ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy ho avy ny ora farany raha tsy mandalo fasana ny olona iray ka maniry ny ho faty eo amin'ny toerany, ny antony dia ny fahatahorany ny tenany sao dia ho votsotra aminy ny finoany, noho ny fanjakazakan’ny lainga sy ny olony, ary ny fisehoan’ny fitsapana sy ny fahotana ary ny fahavetavetana.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Filazana ny fipoiran’ny fahotana sy ny fitsapana amin’ny fotoana farany.

Famporosina amin'ny fahamailona sy ny fiomanana amin’ny fahafatesana amin’ny alalan'ny finoana sy ny asa tsara ary ny fanalavirana ny toerana misy fakam-panahy sy ny fitsapana.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (9/ 58) (7115).

Sahìh Moslim (4/ 2231) (157).

Ny Fanampiny (4)

إكمال المعلم (8/451).

شرح ابن بطال (10/58).

الإفصاح عن معاني الصحاح (6/295).

البحر المحيط الثجاج في شرح صحيح الإمام مسلم بن الحجاج (44/ 388).