Skip to content

"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."

Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :

"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."

«سَوُّوا صُفُوفَكُمْ، فَإِنَّ تَسْوِيَةَ الصَّفِّ مِنْ تَمَامِ الصَّلَاةِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nandidy ireo mpivavaka ny Mpaminany (S.A.W) mba hanitsy ny filaharan’izy ireo, ary tsy hialoha na hihemotra, ary ny fanitsiana azy ireo dia anisan’ny mahatomombana ny fanompoam_pivavahana sy ny fahalavorariany, ary ny tsy fahitsian'ny filaharana kosa dia fahadisoana na tsy fahampiana ao aminy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny maha-ara-dalàna ny fikarakarana izay rehetra mameno ny fanompoam_pivavahana sy manalavitra ny tsy fahampiana.

Ny fahendren'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampianarana, rehefa nampifandray ny didy tamin'ny antony, mba hanazava ny fahendren'ny lalàna, ary hamporisika ny olona hanaraka izany.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 145) (723).

Sahìh Moslim (1/ 324) (433).

Ny Fanampiny (6)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص127).

تنبيه الأفهام شرح عمدة الأحكام.

لابن عثيمين (1/ 161).

الإفهام في شرح عمدة الأحكام.

لابن باز (ص173).