Skip to content

“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe :

“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”

«يَا أَيُّهَا النَّاسُ، أَفْشُوا السَّلَامَ، وَأَطْعِمُوا الطَّعَامَ، وَصِلُوا الْأَرْحَامَ، وَصَلُّوا بِاللَّيْلِ وَالنَّاسُ نِيَامٌ، تَدْخُلُوا الْجَنَّةَ بِسَلَامٍ».

Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Mari-pototra
Ny fanazavana

Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W) ka hitan'ny olona izy dia nitodika haingana tany aminy izy ireo, ary isan'ireo olona nitodika tany aminy i Abdollah bin Salam (R.A), izay mbola Jiosy rehefa nahita azy dia fantany fa tsy tavan’ny mpandainga ny tavany, noho ny fahazavana sy ny hatsaran-tarehy ary ny bikabika marina. Ny zavatra voalohany henony tamin'ny Mpaminany, dia ny nampirisika ny olona hanao asa izay hitondra any amin'ny paradisa, anisan'izany : Voalohany : Aparitaho ny fiarahaban’ny finoana, sy fanehoana azy ary fanaovana azy im-betsaka amin’izay fantatra sy tsy fantatra. Faharoa : Mampisakafo amin'ny alalan'ny fanampiana sy fanomezana ary fanasana. Fahatelo : Ny fampitohizana fihavanana, amin'ireo izay misy fitohizam-pihavanana aminao, na avy amin'ny ray izany na avy amin'ny reny. Fahefatra : vavaka an-tsitrapo mandritra ny alina rehefa matory ny olona.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsara ny fanaparitahana ny fiarahabana eo amin'ny samy mpino silamo, fa raha ny amin'ny tsy mpino silamo kosa dia tsy tokony hanomboka amin'ny fiarahabana azy, ary raha miarahaba izy amin'ny teny hoe : Fiadanana ho anareo, dia tokony ho valiana izy amin'ny teny hoe : ianao koa.

Loharano iverenana

Sonan Ibn Màjah (4/ 397) (3251).

Sonan At-Tirmizì (4/ 264) (2485).

Mosnad Ahmad (39/ 201) (23784).

Ny Fanampiny (8)

توضيح الأحكام من بلوغ المرام.

لعبد الله البسام (2/ 454).

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (3/ 299).

فتح ذي الجلال والإكرام.

لابن عثيمين (6/ 440).

سبل السلام بشرح بلوغ المرام.

لمحمد الصنعاني (2/ 693).