Skip to content

“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'allah (S.A.W) niteny manao hoe :

“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy? Hoy izy : Tsy hisy loto tavela intsony eo aminy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Toy izany ny vavaka dimy isan’andro, izay hamafan’i Allah ny ota.”

«أَرَأَيْتُمْ لَوْ أَنَّ نَهَرًا بِبَابِ أَحَدِكُمْ يَغْتَسِلُ فِيهِ كُلَّ يَوْمٍ خَمْسًا، مَا تَقُولُ ذَلِكَ يُبْقِي مِنْ دَرَنِهِ؟» قَالُوا: لَا يُبْقِي مِنْ دَرَنِهِ شَيْئًا، قَالَ: «فَذَلِكَ مِثْلُ الصَّلَوَاتِ الخَمْسِ، يَمْحُو اللَّهُ بِهِ الخَطَايَا».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny renirano iray teo am-baravaran'ny olona iray ny vavaka dimy isan'andro sy ny alina amin'ny fanesorana sy fanafoanana ny ota madinika, ka tsy misy na inona na inona intsony mbola mitoetra aminy, na ny fahalotoany.

ireo dikan-teny

...:

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Izany fahasoavana izany dia voatokana amin'ny fanalana ny ota madinika, fa ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy mibebaka amin'izany.

Ny hatsaran'ny fanaovana ny vavaka dimy isan'andro sy ny fitandremana azy eo amin'ny fepetra takina aminy, ny tototra ijoroany, ny tsy maintsy atao ao aminy ary ny Sonnah.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 112) (528).

Sahìh Moslim (1/ 462) (667).

(1/ 282).

Ny Fanampiny (7)

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

مجموعة من الباحثين (2/ 773).

تطريز رياض الصالحين.

لفيصل آل مبارك (ص610).

المعجم الوسيط.

النهاية في غريب الحديث والأثر.

لابن الأثير (2/ 115).