Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

95 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (51)
“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
" Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Matahora an’i Allah Tomponareo, ary mivavaha aminy in-dimy isan’andro, mifeheza mandritra ny iray volana, ary aloavy ny zakat amin’ny fanananareo, ary ankatoavy izay mpitondra aminareo, dia hiditra ao amin’ny Paradisan’ny Tomponareo ianareo.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
Mari-pototra Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
“Izay manambady tsy nahazo alàlana avy amin’ny mpitaiza azy, dia tsy manan-kery ny fanambadiany - in-telo - ary raha nanao firaisana izy, dia azy ny vodiondry na inona na inona nitranga, ary raha mifanditra izy ireo dia ny manampahefana no mpiahy an’ireo izay tsy manana mpiahy.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantarain'i Moslim sy Ahmad
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”.
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad
"Izay nihinana hanina ka niteny hoe : Alhamdoulillahillazi At'aamani haza warazakanihi min ghairi hawlin minni wala kowwa, izay midika hoe : Isaorana anie Allah izay nampihinana sy nanome ahy ity sakafo ity, tsy tamin'ny heriko na tanjaka avy amiko, dia ho voavela ny heloka vitany teo aloha."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad