Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

17 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (51)
"Tsy misy olona miarahaba ahy afa-tsy hoe haverin'I Allah amiko mba hamaliako ny fiarahabany".
Tsara ny fampitana Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“ Tompo Allah ô, Aza atao toy ny sampy ny fasako; ka dia hozonin’i Tompo Allah anie ireo Olona izay naka ny fasan’ny Mpaminaniny ho toeram-pivavahana ".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny mpanao kolikoly sy ny mpaka tsolotra amin'ny fitsarana.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.
Mari-pototra Notaterin'i Nasày Ao amin'ny Kobra sy Ibno Màdjah amin'ny heviny ary Ahmadi
"Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Faty antoka ho an'ny olona iray izay nilazana momba ahy teo anatrehany nefa tsy nivavaka ho ahy izy, ary faty antoka ho an'ny olona iray izay nahatra Ramadany ary niala ny Ramadany talohan’ny nahazoany famelan-keloka, ary faty antoka ho an'ny olona nahatratra ny ray aman-dreniny tamin'ny fahanterany ka tsy nampiditra azy any amin’ny Paradisa.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad