Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

54 of 665 cards

Clear filters
“ Eny tokoa, ny fanalana fanahy ratsy, ny tapa-kazo ary ny ody mahery dia fanompoan-tsampy".”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
“ Ny Mpamaky ny Boky masina KOROANY ampahabemaso dia toy ny olona mpanome Soadaka an-karihary, ary izay mamaky ny Boky masina KOROANY amin’ny fomba sy endrika mangingina dia toy ny Olona mpanao sy mpamoka ny Soadaka an-tsitrapo ”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Izay mianiana ho toky dia tsy namantsika.”
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
"Ny maha akaiky indrindra ny Tompo amin'ny mpanompo dia amin'ny matonalina, koa raha afaka ny ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah amin'izany ora izany ianao, dia aoka hanao izany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Nitsangana teo aminay ilay Irak'i Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe : Ry Irak’Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Nivoaka tamin'ny alina be orana sy maizina izahay, nitady an'ilay Irak'Allah (S.A.W) mba hitarika ny fivavahanay, ka hoy izy : “ka hitako izy, dia niteny tamiko hoe : “Teneno”, fa tsy niteny na inona na inona aho. Avy eo niteny indray izy hoe : "Teneno" ka hoy aho: Inona no holazaiko? Hoy izy : «{Lazao hoe : Qol-howallàho Ahad}, izay midika hoe : Izy no Allah Tokana, sy Maw'izhatainy, in-telo isaky ny maraina sy hariva fa ampy hiaro anao amin'ny ratsy rehetra izany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Nosoratako avokoa izay rehetra henoko tamin'ny irak'Allah, izay tiako hotadidina, fa noraran'ny koraisita aho, ary hoy izy ireo : Moave soratanao daholo izay renao avy amin'ny irak'Allah (S.A.W)?, Nefa ny Mpaminany (S.A.W) anie olombelona miteny am-pahatezerana sy am-pahatsorana? dia najanoko ny fanoratana ary nolazaiko tamin’ny irak’Allah izany, ka nanondro ny vavany tamin’ny rantsantanany izy (Mpaminany) ary niteny hoe : “Soraty, fa mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, tsy misy mivoaka avy aminy afa-tsy ny fahamarinana ihany”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
Tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho, te-hiditra ho mpino silamo, dia nasainy nandro ny tenako tamin'ny rano sy ravinkazo.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì