Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

12 of 665 cards

Clear filters
“Rehefa anontaniana ny mpino silamo iray ao am-pasana dia : Mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah”, izany ilay teniny manao hoe : {Hamafisin'I Allah amin'ny teny entitra ireo mpino eto amin'ny fiainana sy any ankoatra} [Ibrahim: 27].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy ho avy ny ora farany raha tsy efa mifanakaiky ny fotoana, ka ny taona iray ho toy ny volana, ary ny iray volana ho toy ny zoma, ary ny zoma ho toy ny andro, ary ny andro iray ho toy ny ora ary ny ora dia ho toy ny fandoroana hazo rofia".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
Niteny zavatra i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy manao hoe : “ Io dia amin’ny fotoanan’ny fanjavonan’ny fahalalana.” Hoy aho : “ Ry Iraka mahafatokin’i Tompo Allah ô, ahoana no hanjavonan’ny fahalalana, nefa isika mamaky ny CORAN ary ampianarintsika ny Zanakatsika ihany koa izany, ary ny Zanakatsika no mampianatra izany ny Zanany mandra-pahatongan’ny Andro farany ? Hoy Izy namaly hoe : “Loza ho an'ny Reninao ry Ziyad, Anao hitako anisan’ny manam-pahaizana indrindra eto Madina, moa tsy mamaky ny Torah sy ny Evanjil ve ireo Jiosy sy Kristianina ireo ? ” Nefa tsy mahay na inona na inona ao Aminy ? ! ".
Marina ho an'ny hafa Notantarain’i Ibn Màjah
“Rehefa misy ny razana ka entin’ny lehilahy eo am-bozon’izy ireo izany, dia raha olona mpanao soa izy, dia hilaza hoe : Ento mandroso haingana aho, ary raha tsy olona tsara izy, dia hilaza hoe : O! Loza ho azy, ho entinareo ho aiza izy? Mandre ny feony ny zavatra rehetra afa-tsy ny olona, ​​ary raha mandre azy izy, dia ho torana.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari