Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

15 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay namindra fo ka nanome fe-potoana fanampiny ho an'olona sahirana, na koa nanome fanamaivanana ho azy, dia omen'i Allah haloka manokana izy ao ambanin'ny haloky ny seza fiandrianany amin'ny andro fitsarana, izay tsy andro tsy misy haloka afa-tsy ny halony".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izaho no lehiben’ny olona amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary fantatrareo ve ny dikan’izany? avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany dia hiteny ny olombelona hoe : «Tsy hitanareo ve ny manjo anareo, tsy mitady olona hanelanelana anareo amin’ny tomponareo ? Dia mifampiresaka ny olona ka miteny ny sasany hoe : Tokony ho any amin'i Adama ianareo, dia tonga tany amin'i Adama izy ireo, ary niteny taminy hoe : Ianao no rain'ny olombelona, noharian’I Allah tamin'ny tànany ianao ary nitsofony tao aminao ny fanahiny, ary nandidy ireo anjely hiankohoka teo anatrehanao, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny ? Tsy hitanao ve ny mahazo atsika ankehitriny? . Dia hoy i Adama : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izy efa nandrara ahy tamin'ny hazo nefa tsy nankatoa azy aho, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako. Koa mandehana ianareo any amin'i Noha. Lasa any amin’i Noha izy ireo ka niteny hoe : Ry Noha, ianao no voalohany tamin’ireo iraka ho an’ny olona eto an-tany, ary efa nomen’I Allah anarana ianao hoe mpanompo feno fankasitrahana, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izaho dia nangataka ratsy tamin’ireo vahoakako, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’i Abraham . Lasa tany amin’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ry Ibraham, ianao mpaminanin’I Allah sy sakaizany eto an-tany, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nandainga amin’ny lainga anakintelo, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao Dia nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nahafaty olona izay tsy nanirahana ahy hamono azy, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa. Lasa tany amin’i Issa izy ireo ka niteny hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Lasa tany amin’i Mohammad izy ireo ka niteny hoe : Ry Mohammad, ianao Irak’Allah sy farany tamin’ireo Mpaminany, ary efa nofafan’I Allah ny fahotanao lasa sy ny mbola ho avy, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Dia mandeha aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ho lazaina amiko hoe : Ry Mohammad, ampidiro amin’ny Paradisa avy amin’ny vahokanao ireo izay tsy mandalo fitsarana, amin’ny vavahady havanan’ny Paradisa, ary izy ireo dia mpiara-miasa amin’ny olona ao amin’ny vavahady hafa rehetra, avy eo dia dia miteny izy : Mianiana amin’ilay mitazona ny aiko eo am-pelatànany, ny eo anelanelan'ny vavahadin'ny Paradisa roa dia toy ny eo anelanelan'i Lameka sy Himyar - na eo anelanelan'i Lameka sy Bosra -».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny toerana ambany indrindra ho azon’iray aminareo any amin’ny Paradisa dia rehefa misy miteny aminy hoe : "Inona ny fanirinao, dia naniry izy, ary naniry zava-tsoa, dia hanontaniana izy hoe : "Efa nanao faniriana ve ianao?" Hoy izy : Eny, ary holazaina aminy hoe : Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim